Asabotsy 9 Marsa 2019

Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy. Efesiana 2:4, 5

 

Miaraka, izay ihany

Ambaran’io fiteny io amintsika fa ho an’ny isam-batan’olona, ny fiainam-piarahamonina dia zavatra ilaina (izay ihany, izay no zava-dehibe), ary koa toe-piainana ara-boajanahary (izay ihany, fiainana ara-dalàna tsotra izao). Filàna ara-boajanahary ny hoe miara-miaina amin’ny hafa. Araka izany, tany am-piandohana Andriamanitra dia nahary lehilahy sy vehivavy, ary nakambany izy ireo, ka izany no nampisy ny rafi-piarahamonina voalohany indrindra, dia ny ankohonana. Nefa satria ara-drariny ireo filàna fiaraha-miasa, fifampizarana fahaiza-manao, fifampizarana talenta, dia nanjary tonga ho azy ireo fiainam-piarahamonina mivelatra kokoa noho ny fianakaviana : tanàna, fiarahamonina, firenena…

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fiarahamonin’ny vahoaka Israely, fony izy ireo nivoaka avy tany Egypta, dia nalamin’Andriamanitra tamina lalàna feno fahendrena, lalàna nanao ny fifanajana ho tena zava-dehibe.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ho an’ny kristiana dia nanjary nisy filàna hafa nipoitra ho azy, teo amin’ny fiarahamonin’izy ireo : voavonjy ireo mpino ireo noho ny asa nataon’i Jesosy —Ilay Zanak’Andriamanitra tonga teto amin’izao tontolo izao, novonoina ho faty ary nakarina any amin’ny voninahitra— ; voavonjy izy ireo ary mivory manodidina io Jesosy io, Izay velona na dia tsy hita maso aza ; mivory mba hidera Azy, hihira Azy, hanompo Azy.

Andriamanitra dia te hanana fifandraisana marina amin’ny olona ; tsy hoe antokom-pivavahana, fa fifampizarana, fifanakalozana. Te ho Andriamanitra akaiky Izy, fa tsy ho hevitra ao an-tsaina. Aoka isika hiaina izany fifandraisana akaiky izany amin’i Jesosy, amin’Andriamanitra.

Na firy taona isika na firy taona, dia aoka samy ho vonona hiara-miaina tokoa amin’ny ankohonantsika, ny namantsika, ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra ; tsy amina fisainana mitady hanararaotra, fa amin’ny fanomezana ho an’ny hafa sy ny fanoloran-tena ho azy ireo, toy ny nataon’i Kristy.