Alahady 10 Marsa 2019

(Hoy Jesosy :) Ny tena mpivavaka, hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Jaona 4:23, 24

 

Ry Ray tia anay !

 

Ry Andriamanitra ô, ny fitiavanao no mamory anay

Manodidina an’i Kristy, ao anatin’ny firaisana ;

Avy izahay hiara-mitsaoka Anao

Sy hihira ny fahatsaram-ponao lehibe.

 

Ny fikasan’ny fitiavanao midadasika,

Hatrizay ka ho mandrakizay,

Dia ny hanana olom-boavonjy sy lavorary

Any an-danitra, eo anatrehanao.

 

Zava-miafina, izay an’Andriamanitra, momba ny fahasoavana,

Ry Ray Izay nitia anay fatratra,

Ny hoe nanomana toerana ho anay Ianao,

Ao anatin’ny fahasambaranao mihitsy.

 

Ny fiadananao, ireo zava-tsoanao, ny lanitrao, ny voninahitrao :

Nomenao izany tamin’ny alalan’i Jesosy.

Tsy ho ela dia hakarina ho any aminy izahay,

Rehefa mahare ny hiakam-pandreseny !

 

Dera ho Anao hatretỳ an-tany,

Haja any an-danitra, ary ho mandrakizay.

Voninahitra ho an’ny anaranao, ry Andriamanitra Rainay !

Voninahitra ho an’ny fitiavanao mahatalanjona !