Alatsinainy 11 Marsa 2019

Mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. Lioka 10:20

(Hoy Jesosy :) Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:3

 

Ho any am-paradisa avokoa hoe ?

Nafana ny lanonana, nilalao feon-kira fantatry ny maro ny mpitendry zavamaneno, narahin’ny sasantsasany tamin’ireo mpijery, izay nihira izao teny manaitra izao hoe : “Ho any am-paradisa avokoa isika rehetra !” Ora vitsy taorianan’izany dia mbola nihira io hira io hatrany i Alfred, niditra tao amin’ny fiara-na namany. Fotoana fohy avy eo, nitranga ny loza. Mamo ilay mpamily ka nifatratra tamina vodihazo ny fiara. Ny firefotry ny fifandonana no zavatra farany tsaroan’i Alfred. Nony nifoha izy, tany amin’ny hôpitaly, dia nambaran’ny mpitsabo mpanampy taminy ny vaovao mampivarahontsana : izy irery no hany velona tamin’ireo mpandeha.

Tsy afaka nifandray tamin’ny hafa i Alfred nandritra ny fotoana ela, nefa mbola nanako tao an-tsainy hatrany ilay hira : “Ho any am-paradisa avokoa isika rehetra…”. Ary dia sambany io teny io no nampanontany tena azy, hoe afaka miditra any am-paradisa tokoa ve izy ? Vao saika nipaoka azy ny fahafatesana, ka miha maika kokoa hatrany ny hahafantarany izay hitranga aorianan’izany.

Raha ny tena izy, dia lainga fotsiny io hira naverimberin’olona an’arivorivony io. Mifanohitra amin’izany ny ambaran’Andriamanitra, mazava tsara, ao amin’ny Baiboly. Samy mandeha amin’ny lalana migodana mankany amin’ny fahaverezana avokoa isika rehetra (Matio 7:13). Ny hany ho voavonjy dia ireo izay manaiky ny famonjena mbola atolotr’Andriamanitra azy ireo ankehitriny. Noho ny finoana an’i Jesosy Kristy irery ihany, Jesosy Kristy Ilay Mpamonjy, no hahazoako miditra any am-paradisa. Raha mino aho fa namafa ny fahotako rehetra Izy, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, dia voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana” ny anarako, ary sambatra aho miaina ho an’ny Mpamonjiko ; efa vonona ny toerako any am-paradisa. Anananao ve izany fifaliana izany ?