Talata 12 Marsa 2019

Izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. Filipiana 4:11

Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery ; very hevitra, nefa tsy mamoy fo. 2 Korintiana 4:8

Tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva. 2 Korintiana 6:10

 

Zavatra kely foana

Gaga isika indraindray, mieritreritra fa zavatra kely foana no tsy ampy hahasambatra antsika : manam-bola kely, ialan’ny zava-manahirana kely iray, tsaratsara kely kokoa ny fahasalamana, mahatsapa kely kokoa ho manirery. Zavatra kely foana mandrakariva no manasaraka antsika amin’ny fahasambarana, kanefa miforona tsy ankijanona io “zavatra kely foana” io. Araka izany dia misy zava-manahirana iray, mandimby zava-manahirana iray ; ary fotoan-tsarotra iray, mandimby fotoan-tsarotra iray. Natao ho an’ny ampitso lalandava ny fahasambarana. Raha ny marina, ny tsy ampy amintsika dia Andriamanitra, ny tsy ampy amintsika dia ny fahatsapana amin’izao fotoana ankehitriny izao ny fifandraisantsika aminy, Izy Ilay Raintsika. Izy irery ihany no afaka mahatonga ny fahasambarana tsy ho aorianan’ny aretina, fa ao anatin’ny aretina ; tsy ho aorianan’ny zava-manahirana, fa na ao amin’ny zava-manahirana aza.

Taomin’ny Baiboly isika hifaly mandrakariva. Amin’ny fomba ahoana anefa ? “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo” (Filipiana 4:4). Ny fahasambarana, izany, dia tsy miankina amin’ny toejavatra tsara na ratsy iainana, fa tovozina ao amin’ny fitiavan’ny Tompo Jesosy. Fantatr’Andriamanitra tsara fa marefo ny ao anatin’ny tsirairay ao, ka manampy Izy hoe : “Aza manahy na amin’inona na amin’inona”. Amin’ny alalan’ny vavaka no itaomana antsika hamela amin’Andriamanitsika, izay rehetra fanahiantsika, na kely izany na lehibe. Aza misalasala hitondra eo aminy ireny « zavatra kely foana » manelingelina ny fifaliana kristiana ao amintsika ireny. Rahona kely foana, indraindray, dia manakana ny masoandro tsy hibaliaka. Aoka isika hianatra ny hifaly ao “amin’ny Tompo”, mba hisitraka izany fifaliana izany dieny ankehitriny, miaraka aminy, ary na inona na inona toe-piainantsika amin’izao fotoana izao.