Alahady 13 Marsa 2019

Endrey ny halalin’ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany ! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina ! Romana 11:33

Ny teniko ... tsy hiverina amiko..., raha tsy efa ... ambinina amin’izay ampandehanako azy. Isaia 55:11

 

Taratasy amonosana sigara

Avy tany amin’ny fonjan’i G. no nahazoana izao fijoroana ho vavolombelona izao :

« Tena zava-miafina mihitsy ny fomba fiasan’Andriamanitra. Henoy anie izao tantarako izao e :

Tsy nanana sigara ity namako mpiray efitrano tamiko tao am-ponja, ka nangataka tamin’olona tao ambadika. Tonga ny sigara, nofonosina tao anatina takelaka iray avy tamin’itony alimanakanareo itony. Andinin-tSoratra Masina roa no teo amin’ny pejy iray, ary tantara kely no tao ambadika ; ary farany, ny adiresinareo. Nanohina ahy izany. Tsy dia nisy zavatra takatr’ilay namako loatra, ary toy izany koa ilay mpanome sigara, izay tsy mahay mamaky teny sy manoratra rahateo. Saingy isaky ny misy famatsiana sigara ho an’ilay namako, dia misy ihany koa takelaka vaovao tonga atỳ aminay, ary nangatahiko ilay namako mba tsy hanary azy, satria zava-dehibe tamiko izy ireny.

Indray andro dia afaka ilay mpiray efitra tamiko, ary nangataka ny hisolo ny toerany ilay mpandefa sigara. Nekena izany fangatahany izany, ka dia nanjary niray efitrano tamiko izy… niaraka tamin’ilay alimanaka, izay nafatotray teo amin’ny tsivalam-by. Koa dia afaka nanazava tamin’ilay namako vaovao aho ny maha zava-dehibe ny Baiboly, ary dia niangavy tamiko izy mba hamaky sy hanazava aminy ny teny nomena isanandro. Samy avy any amina tany arabo izahay roalahy, izy silamo, izaho kosa manana kolontsaina kristiana.

Tena mafy, indraindray, ny fiainako atỳ am-ponja, kanefa ny fanantenako dia ao amin’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpamonjiko. Mivavaha ho ahy.”