Alakamisy 14 Marsa 2019

Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1

Manàna finoana an’Andriamanitra. Marka 11:22

Fa ny marina ho velon’ny finoany. Habakoka 2:4

 

Iza no inoanao ?

Raha mitaingina fiaramanidina aho, dia mitoky amin’ny mpanamory. Vao miainga mantsy ny fiaramanidina, dia tsy misy voafehiko intsony, na inona na inona.

Tahatahaka izany ihany koa ny miaraka amin’Andriamanitra. Mino aho fa Izy no nampanoratra ny Baiboly, izay mitantara ny tantaran’ny zanak’olombelona amina fomba mazava tsara, ka tena mampahatahotra ! Nambarany mialoha, tamin’ny fomba mazava sady mahavariana, ny zavatra sasantsasany. Miteny am-pahefana izy, ka mampangina na ireo izay tena mpiavonavona indrindra aza. Tsy maintsy miondrika aho eo anoloan’io boky io, izay miresaka amiko ny momba an’Andriamanitra ; ary ao amin’io sehatra io dia tsy misy azoko atao afa-tsy ny mianatra.

Ny hoe manana finoana an’Andriamantra dia midika hoe mino Azy, mino izay nampanoratiny ao anaty Baiboly. Tsy mba mandainga Andriamanitra, na oviana na oviana. Taterina amintsika, ao anaty Baiboly, ny zava-nitranga ara-tantara ; ohatra, ny nahaterahan’i Jesosy Kristy, ny fiainany, ny nahafatesany, ny nitsanganany tamin’ny maty. Mino ireny tranga ireny isika. Inoako Andriamanitra rehefa miteny hoe tia ahy Izy. Inoako Andriamanitra rehefa milaza fa ny olona, aorianan’ny fahafatesana, dia ho any amin’ny toeram-pahasambarana, raha mino an’i Jesosy, na ho any amin’ny toeram-pijaliana, raha tsy mino. Milaza Andriamanitra fa mamindra fo amin’ny mpanota mibebaka, ary mino izany aho. Milaza Izy fa manjary lavorary ho mandrakizay aho, noho ny sorona nataon’i Kristy : mino izany aho. Manome antoka ahy Izy fa tia ahy, saingy mankahala kosa ny fahotako : mino izany aho. Mino izay rehetra lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly aho, satria marina Andriamanitra, ka tsy mahay mandainga. Olona an’arivony, isanandro, no mametraka ny fitokisany amin’Andriamanitra. Marina fa mbola tojo zava-tsarotra ihany izy ireny eo amin’ny fiainana, nefa manana ihany koa fiadanana sy fifaliana. Ny olona mino dia manaja an’Andriamanitra, ary tahiany ireo izay matoky Azy.