Zoma 15 Marsa 2019

Izao no lazain’i Jehovah : Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao... [Ary] Hezekia ... nivavaka tamin’i Jehovah. Isaia 38:1, 2

Raha ny ho velona amin’ny nofo no hahavokaran’ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko ; fa ... maniry hiala ka ho ao amin’i Kristy [aho], satria tsara lavitra izany. Filipiana 1:22, 23

 

Krizy (9) : Ny fieritreretana ny fahafatesana

Ny ohatra (Isaia 38) : Ankona tanteraka i Hezekia mpanjaka ! Mbola tena ao anatin’ny tanjaka izy, kanefa dia nilazana fa ho faty tsy ho ela… Tsy takatry ny sainy izany, ka nivavaka tamin’Andriamanitra izy. Nampahatsahiviny Azy fa nahatoky izy, ary nitomany fatratra izy. Henon’Andriamanitra ny vavaka nataon’i Hezekia, hitany ny ranomasony ka dia namaly Izy, ary nampiany dimy ambin’ny folo taona ny andro hiainan’i Hezekia.

Ity mpanjaka ity dia nanao lahatsoratra nitantarany ny fahoriany sy ny alahelony, satria handao izao tontolo izao. Notantarainy ihany koa fa niteny taminy Andriamanitra ary nampitony azy. Niaiky aza i Hezekia hoe : “Ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko… fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra… Jehovah efa vonona hamonjy ahy” (Isaia 38:17, 20).

Ny lesona : Dona mafy tokoa ny tsy maintsy ieritreretana fa antomotra ny fiafaran’ny fiainan’ny tena ! Toa mitsimbadika avokoa ny zavatra rehetra : tsy misy dikany intsony ireo zavatra nokasaiko (Joba 17:11) ; iza no hikarakara ireo olona akaiky ahy, izay hilaozako ? Mampangirifiry ny fisarahana… Ary dia mipoitra ny fanontaniana maro : Vonona ve aho handeha ? vonona hihaona amin’Andriamanitra ? Aiza ho aiza ny finoako sy ny fanantenako ?

Fotoana izao, hitodihako amin’ny Tompo, raha mbola tsy nanao izany aho. Raha efa nandray Azy ho Mpamonjiko aho, dia mahafantatra fa namela ny fahadisoako Izy satria tia ahy, ary efa namboatra eo anilany ny toerana ho ahy, any amin’ny fitsaharana any an-danitra.

Na manome ahy fahasalamana indray Andriamanitra, toy ny nataony tamin’i Hezekia, na maka ahy hiaraka aminy, dia Izy no misafidy izay tsara ho ahy. Tsara ny velona aina, kanefa tsara lavitra ny “miaraka amin’i Kristy”. Enga anie aho, amin’ny andro rehetra homeny ahy, hahay miaina miaraka amin’ny fahasoavany, ary hiteny aminy hoe : “Misaotra, Tompo ô !”