Asabotsy 16 Marsa 2019

(Hoy Jesosy :) Ianareo avy tamin’ny devoly rainareo... Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha... mpandainga izy sady rain’ny lainga. Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo. Jaona 8:44-45

 

Andriamanitra sa ny devoly no henoina ? (1)

Ho antsika, iza moa ny devoly, ankehitriny ? Isika ve manao izay hahatamana azy amintsika, misakaiza amin’io voary ratsy fanahy sy mpandainga ary mahery setra io, na manao tonon-kira miantso azy mihitsy aza ? Manaiky handevoziny ve isika ? Manaiky hanompo azy amina fanao isan-karazany mampiankin-doha aminy ? Na milalao ody mba hahazoana fahefana sy harena ? Ary tsy fantatsika ve fa anisan’ny fandreseny ny mahataona olona handà ny fisiany sy hiampanga an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny ratsy ?

Mazava ny Tenin’Andriamanitra momba ny fisian’i Satana sy ny asany. Imbetsaka Jesosy no miresaka momba an’i Satana. Manan-kery i Satana, ary mampivarahontsana ny fihamaron’ny hafetseny sy ny laingany, amin’izao fotoana izao. Vereziny amina fisainana mamitaka ny olona, mba hanalavitra ireo fihevitr’Andriamanitra.

Olona iray tsy mandry saina, ohatra, menatra ary mahatsapa ny toetra ratsiny eo anatrehan’Andriamanitra, dia hibitsihan’i Satana hoe : tsy misy dikany ianao, lehibe loatra ireo fahadisoanao ka tsy hamela heloka anao Andriamanitra ; efa tara loatra izao.

Olona hafa indray, tsy dia nanao fahadisoana be ary mihevi-tena ho tsara aza, dia hilazan’i Satana hoe : mazava fa tsy lavorary ianao ; tsy misy olona lavorary. Nefa mbola manana fotoana lava ianao ; ka hararaoty kely aloha ny fiainana !

Hain’ny devoly ny manao fiteny ara-pivavahana, amin’ireo izay misalasala. Ary reseny lahatra ny tsy mpino fa tsy misy Andriamanitra sady tsy misy izany fitsarana na helo izany, ka tokony hohararaotina tsara ny fahafinaretana rehetra omen’izao fiainana izao, satria rehefa maty dia vita hatreo ny zavatra rehetra !

Iza no tiantsika hotompoina ? Ny devoly, io fahavalon’ny fanahintsika io ve ? sa Andriamanitra, Izay nitia antsika ka nanolotra ny Zanany hamonjy antsika ?

(rahampitso ny tohiny)