Alahady 17 Marsa 2019

Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra... Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika. 1 Jaona 3:1, 2

 

Zanak’Andriamanitra (2)

Sombiny nalaina tao amin’ny Baiboly : 1 Jaona 3:7-17

“Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo : izay manao ny marina no marina ; eny, marina tahaka Azy. Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny voalohany. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’Andriamanitra.

Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany : tsy maintsy mifankatia isika —tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy ? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ny rahalahiny.

Aza gaga, ry rahalahy, raha hàlan’izao tontolo izao ianareo. Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany. Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona ; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavan’Andriamanitra ao anatiny ?”