Alatsinainy 18 Marsa 2019

Simona Petera ... niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy izy ka nanao hoe : Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. Lioka 5:8

Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota. 1 Timoty 1:15

 

Didim-pitsarana farany

Pierre Lehibe, mpanjakan’i Rosia fahizany, izay lehilahy mahery teny sy mahery setra, dia nanambara indray andro hoe : « Iriko ny hanova ny fanjakako, fa tsy haiko kosa ny manova ny tenako ». Ilay fizisiana antsoina hoe Albert Einstein koa, dia nanoratra hoe : « Ny hany olana amin’ny vanim-potoana rehetra, dia ao anatin’ny fo sy fisainan’ny olona. Mora kokoa ny manova ny toetran’ny “plutonium” noho ny manova ny toetra ratsin’ny sain’olombelona ». Teny mampalahelo kanefa marina tanteraka ireo, maneho tsara ny toetran’ny zanak’olombelona, voagejan’ireo fikasany sy ny fironany hanao ny ratsy, araka ny nambaran’Andriamanitra efa 2000 taona mahery lasa, hoe : “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo” (Jeremia 17:9, 10). “Tsy misy marina na dia iray akory aza… fa samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:10, 23).

Nefa na dia nahatsapa izany aza Andriamanitra, dia hoy koa Izy amintsika : “Avia ary hifandahatra isika… na dia [mena] tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala” (Isaia 1:18). Mbola misy, izany, ny fanantenana, satria Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia afaka manadio sy manamarina ny mpanota rehetra eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fepetra takiana dia hoe manaiky ny didim-pitsaran’Andriamanitra momba ny tenantsika, sy mandray ny fahasoavana atolotr’Andriamanitra antsika, satria Jesosy efa nizaka ny famaizana sahaza antsika. “Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (izay rehetra mino) noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy”. Tsy fihatsarana miandalana tsy akory no resahina, tsy fihatsarana mahasasatra avy amin’ny fontsika, noho ny ezaka manokana ataontsika, fa fiovàna feno sy tanteraka ary tsy iverenana intsony. “Sambatra izay olona tsy isain’i Jehovah heloka” (Romana 3:24 ; 4:8).