Talata 19 Marsa 2019

Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 8:1

Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa. Kolosiana 2:6

 

Ao amin’i Kristy

Ireo izay mino an’i Jesosy dia efa “ao amin’i Kristy” manomboka izao, izany hoe anisan’ny tenany.

— Ao amin’i Kristy aho dia vita fihavanana amin’Andriamanitra :

“Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika” (Efesiana 1:7). “Efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1). Nohamarinina aho, navotana, ary navela heloka tanteraka.

— Ao amin’i Kristy aho dia voaaro :

“Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany” (Filipiana 1:6). “Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery... na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 8:38, 39). Hoy Jesosy amintsika : “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako” (Jaona 10:27-28).

— Ao amin’i Kristy, dia manjary misy dikany ny fiainako :

. mba hanompo Azy : “Voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy” (Efesiana 2:10).

. mba hitsaoka Azy : “Hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (1 Petera 2:5).

. mba hampahafantatra Azy : “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo” (Matio 5:16)

. mba hiandry Azy : “Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy” (Titosy 2:13).