Alarobia 20 Marsa 2019

Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka ? Mihazakazaha toy izany, mba hahazoanareo. 1 Korintiana 9:24

Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika. Hebreo 12:1, 2

 

Mpanao fanatanjahantena

Mametraka ny tongony eo amin’ny faritra fiaingana ireo mpihazakazaka amin’ny fifaninanana 5.000 metatra. Efa vonona izy ireo… Dia nanomboka ny hazakazaka ! Rehefa nahavita fihodinana vitsivitsy teo amin’ny kianja izy ireo, dia niavaka ny mpihazakazaka iray, ary nialoha lavitra ny mpifaninana hafa ; izy no nandrombaka ny fandresena !

Ny fiainan’ny kristiana dia oharin’ny apostoly Paoly amina fifaninana fanatanjahantena, toy ny natao tany Gresia tamin’ny vanimpotoana niainany. Saingy tsy milaza izy hoe tsy maintsy mandresy ny hafa, fa mihazakazaka mba hahazo ny loka. Ny fomba fihazakazaka no jerena, fa tsy ny fahazoana ny laharana voalohany. Tsy ho tonga voalohany avokoa isika rehetra, nefa kosa samy afaka mihazakazaka mikendry ny valisoa.

Tamin’ny faran’ny fiainany dia nanambara ny apostoly Paoly hoe : “Nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy” (2 Timoty 4:7, 8). Hitantsika koa ny fampirisihana hihazakazaka “amin’ny faharetana”. Tsy angatahina isika hanao tsara noho ny hafa, fa hanodina ny masontsika tsy hijery izay zavatra mety haha variambariana antsika, ka hibanjina an’i Jesosy ary hitozo hatramin’ny farany.

Rehefa mby eny amin’ny fahatongavana isika, nahatanteraka ny “fihazakazahana kristiana”, dia hitsangana eo anoloan’“Ilay Mpitsara marina” (jereo 2 Korintiana 5:10). Valim-pitia lehibe tokoa ny handre ny Tompo miteny amintsika hoe : “Midira amin’ny fifalian’ny tomponao” (Matio 25:21).