Alakamisy 21 Marsa 2019

(Hoy Jesosy :) Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Jaona 11:25

Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Jaona 14:6

 

Mino izany ve ianao ?

Eo amin’ny vavahady fidirana ho ao amina toeram-pandevenana iray any Haute-Loire (any Frantsa) dia misy takelaby nanoratana hoe : “Mandra-piandry ny Jaona 11:25”. Mampahatsiahy ny andinin-tSoratra Masina voalaza etsy ambony izany, ary manambara ny finoana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.

Ao amin’ny tantara misy io andinin-tSoratra Masina io Jesosy dia nanambara tamin’i Marta, izay nisaona ny anadahiny, hoe : “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana”. Ary nanontany azy Izy hoe : “Mino izany va ianao ?” Miantefa amintsika rehetra izany fanontaniana izany, ary tena manery mafy rehefa eny amina toeram-pandevenana isika. Miankina amin’ny valiny homentsika io fanontaniana io mantsy ny ho fiainantsika mandrakizay. Tokana ihany ny safidy : na “Raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra” (Jaona 11:40), na “Raha tsy mino ianareo… dia ho faty amin’ny fahotanareo” (Jaona 8:24).

Maty Jesosy, kanefa nitsangana tamin’ny maty ary velona mandrakizay. Hoy Izy tamin’ny apostoly Jaona : “Aza matahotra ; Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona ; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana” (Apokalypsy 1:17, 18). Izay rehetra mitoky aminy dia mahazo antoka fa na dia maty aza, dia ho velona mandrakizay. Hahita ny voninahitr’Andriamanitra izy ireo. Amin’ny fiavian’ny Tompo dia hiasa ny herin’Andriamanitra, hanangana amin’ny maty ny tenan’ny mpino.

Fa ho an’ireo izay mandà tsy mety mino ny Zanak’Andriamanitra kosa, “ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36). Ho azy ireny dia ny fahafatesana no hamaritra fisarahana tanteraka amin’Andriamanitra, any amin’ilay toeram-pijaliana mandrakizay, dia “ny farihy afo” (Apokalypsy 20:10, 14).

Tian’Andriamanitra ny haha voavonjy olona rehetra. Mandraka ankehitriny Izy dia mbola mamela ny helok’izay mibebaka sy mino ny Tompo Jesosy.