Zoma 22 Marsa 2019

(Hoy Jesosy :) Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa. Jaona 15:20

Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy (hozahana toetra) mihoatra noho izay zakanareo ; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. 1 Korintiana 10:13

 

Krizy (10) : Ny fanenjehana

Ny ohatra (Jeremia 38:1-13) : “Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy ohatra ny fanenjika voronkely. Nanjera ahy tao an-davaka famorian-drano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy. Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho : Maty aho ity ! Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.

Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho. Nanakaiky Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Ianao : Aza matahotra. Tompo ô, Ianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Ianao. Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko” (Fitomaniana 3:52-59).

Ny lesona : Tao amin’ny lavaka nanipazana azy i Jeremia mpaminany no nivavaka tamin’Andriamaniny, ka novaliany hoe : “Aza matahotra”. Tamin’izany koa dia nisy mpanompon’ny mpanjaka nahafantatra ny zava-nitranga, ary sahy niresaka tamin’ny mpanjaka. Nahagaga fa nobaikoin’ny mpanjaka izy hanavotra ilay mpaminany (Jeremia 38:7-10).

Namaly ny vavaka nataon’i Jeremia Andriamanitra, nampahery azy tsy hatahotra, ary nanosika olona hiditra an-tsehatra tamin’ny fotoana nilana izany. Matetika Andriamanitra no miasa toy izany : mampifandrindra ny toejavatra mba hanafahany ny olony, manatanjaka ny finoan’izy ireo ary mampahery azy. Miditra an-tsehatra ihany koa Izy eo amin’ny toejavatra mitranga eny ivelany amin’ny fiainantsika. Avelan’Andriamanitra isika handalo fitsapana na hijaly noho ny tsy fandavantsika ny anarany, nefa miaraka amin’izany Izy dia manomana ihany koa ny fiafaran’ny fizahan-toetra. Miasa ao amintsika sy ho antsika Andriamanitra, satria “momba antsika”: tsy misy na inona na inona hahasaraka antsika amin’ny fitiavany (Romana 8:31, 35, 39).