Asabotsy 23 Marsa 2019

Mamela-pandrika izay mitady ny aiko. Salamo 38:12

Làlam-pahendrena no atoroko anao ; eny, mitarika anao amin’ny làlana mahitsy aho. Ohabolana 4:11

 

Ny fandriky ny marimaritra iraisana

Natao sesitany hiasa an-terivozona any Sibérie i Ivan, satria kristiana. Tena mafy ny ririnina any, tafidina hatramin’ny 50°C ambanin’ny 0 ny maripana, kanefa any ivelan’ny trano no miasa. Nilazan’ny mpitantana ny fonja izy, hoe hampanaovina asa hafa, anaty efitrano mafana, raha manaiky hanao zavatra kely iray angatahin’izy ireo. Hiray efitrano fatoriana amina kristiana hafa voafonja izy, ary hanao tatitra amin’ny antsipiriany amin’ny polisy, momba ny resaka sy zavatra ataon’ireo kristiana ireo. Tolotra tena mampilendalenda izany : tsy hisy intsony, na hatsiaka na asa mafy. « Tsotra ny zavatra tadiavinay », hoy ilay lehiben’ny fonja : « Hahafantatra izay resaka ifanaovan’ireo olona ireo. » Takatr’i Ivan ny fandrika fonosin’izany. Ny marina dia hoe asaina mamadika ireo rahalahiny izy. Nanontanian’i Ivan ilay olona niteny taminy, hoe : « Fantatrao ve ny nataon’i Jodasy rehefa avy namadika an’i Jesosy ? ».

Nihifikifi-doha ilay olona : tsy fantany. « Namono tena izy, hoy i Ivan… Fa izaho kosa te ho velona, velona ho an’i Kristy na maty ho voninahiny. »

Nijanona teo ny resaka.

« Voatery niverina tany amin’ny hatsiaka aho, kanefa dia nafana ny tao am-poko », hoy io mpino mahatoky io tatỳ aoriana.

Ary isika kristiana, isika ve mba ho afaka handà fakam-panahy hahazoana tombontsoa hita maso, ka hitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo ? Misy vokany mampalahelo mandrakariva ny fanaovana marimaritra iraisana amin’ny ratsy, na eo amin’ny fiainan’ny tena manokana, na eo amin’ny fifandraisana araka asa, ara-pianakaviana, na marimaritra iraisana amin’ny fahavalo, dia i Satana. Fa fiadanana sy fifaliana kosa no miaraka amin’ny toetra tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny Teniny, na toy inona na toy inona sarany.