Alahady 24 Marsa 2019

Tamin’izany andro izany ... samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra. Mpitsara 17:6

Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ny haratsiam-panahiny. Joda 18

 

Aza manelingelina ahy !

Mampiavaka ny fampianaran’i Jesosy Kristy ao amin’ireo filazantsara ny fitiavana, ny fahasoavana ary ny fahamarinana. Mifono fahendrena sy fahefana ara-toe-panahy ny fomba itarihany ny sain’ny olona hitodika amin’Andriamanitra, mba hinoan’izy ireo sy hibebahany.

Tsy nanaiky handray an’i Jesosy ny olona… Niteny ratsy Azy izy ireo : tsy nandrahona azy ireo Andriamanitra. Nampangain’ny olona ho demoniaka sy adala Jesosy : navelan’Andriamanitra hiteny izy ireo. Nosamborin’ny olona Jesosy, notsarainy, nokapohiny : tsy nanampatra ny hatezerany Andriamanitra. Nohomboan’ny olona teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, novonoiny teo imason’ny rehetra : tsy niditra an-tsehatra Andriamanitra mba hanafaka Azy.

Tsy eto amin’izao tontolo ankehitriny izao intsony Jesosy Kristy, ara-batana, kanefa dia maro ny manao toy izany aminy. Tahaka ny milaza amin’Andriamanitra izy ireo hoe : « Aza manelingelina anay ! ». Ianao angamba izany ? Toy ireo olona tamin’ny vaninandro niainan’i Jesosy teto an-tany, dia afaka manao Azy ho toy ny tsy misy ianao, afaka manao tsinontsinona Azy, manaraby Azy, manosi-bohon-tanana ny Baiboly : avelan’Andriamanitra ianao hilaza sy hanao izay tianao. Afaka manambany ny famonjena atolotr’Andriamanitra ianao, afaka manao tsinontsinona sy mankahala ireo kristiana : tsy manakana Azy izany tsy hitalaho aminao am-pitiavana, mba hitodihanao aminy sy hanenenanao noho ny fiainanao lasa tsy nisy Azy. Angatahiny ianao hino ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, mba ho voavonjy.

Aleonao tsy misy manelingelina, tsy misy olona misisika loatra… Misy anefa fotoana tsy maintsy andraisana ho adidy ny fampitandremana ny olona tandindomin-doza. Ary mety ho izany ny toerana misy anao ankehitriny. Miandry anao Andriamanitra, ary mamindra fo Izy. Koa aza atao tsinontsinona ny fahari-pony. Mety ho diso aoriana loatra rahampitso. Ary tsy azonao an-tsaina ny zavatra ho verinao, izao ankehitriny izao sy amin’ny hoavy…