Alatsinainy 25 Marsa 2019

(Hoy Jesosy :) Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5:32

Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15

Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka. Romana 2:4

 

Inona no atao hoe fibebahana ?

Hoy ity vehivavy nihaino mpitory Filazantsara iray :

— Ianao milaza fa tokony hanjary kristiana ny olona, izaho dia efa hatry ny ela no naniry izany. Nekeko hatrany ireo antso mba hiovana fo, efa volana maro izao. Nataoko avokoa izay rehetra nolazaina tamiko, nefa tsy nisy na inona na inona nitranga, tsy nisy zavatra niova…

— Mbola afaka miara-mamaky andinin-tSoratra Masina iray ao amin’ny Baiboly ve isika ? Dia novakian’ilay mpitoriteny io andininy voalohany eo ambony io, ary nanontany izy hoe :

— Efa tonga ho anao ve Jesosy ? Teo ilay vehivavy dia niaiky fa tsy afaka miala amina fitondrantena tsy milamina.

— Safidy sarotra no atrehinao, kanefa amin’Andriamanitra dia tsy misy zavatra sarotra loatra. Miaiky ny ratsy atao, izany no atao hoe mibebaka.

— Fa tsy mba nisy olona niteny izany tamiko mihitsy ! Nilazana aho hino an’i Jesosy, fa tsy hoe hibebaka !

Ny hoe mino an’i Jesosy, dia ny manatona Azy, amin’ny maha isika antsika. Naka endrik’olombelona Andriamanitra, ka afaka manatona Azy ao amin’i Jesosy ny olona rehetra, toy ny tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Fa ny hoe mino an’i Jesosy, dia midika ihany koa hoe manaiky hokasihin’ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra —dia ny maha fitiavana sy fahazavana Azy—, izany hoe mamela Azy hanazava ny fontsika sy ny toe-piainantsika, sady mino ny teniny. Dia hitovy amin’ny fijerin’Andriamanitra ny fijerintsika ny zavatra rehetra. Nefa tsy hoe hahita fotsiny ihany tsy akory isika, fa hitsara sy handao izay tsy mifanaraka amin’ny zavatra nasehony antsika. Hahatsiaro tena isika fa nanimbazimba Azy. Izany no atao hoe fibebahana, iray amin’ireo vokatra voalohany ateraky ny ain’Andriamanitra ao anatintsika. Tsy fihetsika mandeha ho azy izany, satria manohitra izany ny avonavontsika ; fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra no mitaona antsika hanao izany.