Talata 26 Marsa 2019

Raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao. Matio 18:15

Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy ? Hatramin’ny impito va ? Fa hoy Jesosy taminy : Tsy lazaiko aminao hoe : Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo. Matio 18:21, 22

 

Ahoana no famela heloka ?

Ireo tenin’Andriamanitra nomena androany dia mampianatra ahy izay tokony hataoko, raha misy olona akaiky ahy manota amiko. Hiziriziry amin’ny fahamendrehako ve aho ? na hitondra tena toy ny olona iray niharan’ny tsy rariny, ka hiandry hoe hanatona ahy an-tsitrapo ilay nanao ratsy tamiko mba hiaiky ny fahadisoany sy hangataka famelan-keloka amiko ? Holazaiko avy hatrany amin’ny olona ve ny nataony, mba homba ahy izy ireo ka hanohitra azy ? Tsia dia tsia ! Izaho no asain’ny ny Tompo manao ny dingana voalohany, mankany aminy mba hiezaka ny “hahazo” ny rahalahiko, ka tsy hanome tsiny azy, tsy ho tezitra aminy, fa haniry fotsiny hamitrana fifandraisana miorina amin’ny fifampitokisana aminy.

Tsy afaka hanatanteraka izany aho, raha tsy amin’ny alalan’ny hery omen’Andriamanitra ahy. Tsy manosika ahy hanao izany mantsy ny toetrako, fa ny mifanohitra amin’izany aza. Nefa ho mora kokoa amiko ny hanao izany, raha tsaroako fa namela heloka ahy Ilay Mpamonjiko. Izany no fampianarana omen’i Jesosy antsika ao amin’ny Matio 18:21-35. Ahoana no hampitahana ny fahadisoana nataon’ny rahalahiko tamiko sy ny fahadisoana nataoko tamin’Andriamanitra ? Ahoana no hampitahana ratra kely nahazo ny hambom-poko sy izay niaretan’i Jesosy Kristy nanefa ny saran’ny famelana ny heloko, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana ?

Azo antoka fa ho mora kokoa amiko ny hamela heloka, raha tonga saina aho fa izaho sy ny rahalahiko dia samy anisan’ireo novonjen’i Kristy noho ny nahafatesany (Romana 14:15). Ary hotsarovako ny valintenin’i Jesosy tamin’i Petera hoe : tsy impito fotsiny, fa hatramin’ny im-77, izany hoe araka izay ilaina, ary am-pitiavana sy am-paharetana.