Alarobia 27 Marsa 2019

Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa. 2 Korintiana 13:8

 

Ny lalako nankany amin’Andriamanitra

« Nandany ny hatanorako tany URSS fahiny aho. Namaky boky marobe manohitra ny finoana kristiana aho, tany. Nefa indray andro dia tonga tato an-tsaiko ny fanontaniana hoe : Raha tsy misy tokoa moa Andriamanitra, inona no ilàna ireo ezaka rehetra atao ireo, hanoherana Azy ? Tao amin’ny fiarahamonina komonista nisy anay, mantsy, dia miady amin’ny finoana avokoa ny rafitra rehetra : fianarana, haino aman-jery, siansa, zavakanto. Ahoana no nahafahan’ny kristiana nihazona ny fananany antoka ny amin’ny finoany sy ny fiadanam-pony, na dia nailiky ny fiarahamonina aza izy ireo ? Tsy niala tato an-tsaiko ny ohatra nasehon’ny ray aman-dreniko, izay kristiana resy lahatra.

Indray andro aho dia nanapa-kevitra hanaraka azy ireo, mba hanatrika fivoriana kristiana. Rehefa nahare ireo kristiana ireo niresaka amin’Andriamanitra aho, dia nanontany tena hoe : Ahoana koa no ahafahana mivavaka amina olona tsy hita maso ? Toa fahadalana izany, tamiko. Saingy nanaraka ahy hatrany io fanontaniana io.

Enim-bolana tatỳ aoriana aho dia nahare mpitoriteny kristiana iray indray, ka voakasiky ny Filazantsara. Dia nisy hevitra samihafa nampijaly ahy, satria nandresy lahatra ahy mba hifikitra : raha miditra ao ianao, dia tsy maintsy handao ny zavatra rehetra. Hafoinao ny namanao. Ho very an-javony ny fianaranao sy ny fikasanao momba ny hoavy. Nandohalika anefa aho, ary nanomboka nitomany —tsy noho ny zavatra izay hafoiko anefa, fa noho ny faharesen-dahatra vao noraisiko, hoe tia ahy Andriamanitra. Nivavaka taminy aho, nangataka taminy mba hamela ny heloky ny tsy finoako. Dia namaly ahy Andriamanitra. Nomeny famelan-keloka sy fiadanam-po aho. Nanomboka tamin’izay andro izay dia tsy petrakevitra intsony ny fisian’Andriamanitra, amiko, fa zavatra azo antoka, ary fantatro fa Jesosy no Mpamonjiko sy Tompoko. »

H.R.