Alakamisy 28 Marsa 2019

Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy ! Isaia 5:20

Mankahalà ny ratsy ; mifikira amin’ny tsara. Romana 12:9

 

Tsara, ratsy

Tany amin’ny firenena manana kolontsaina kristiana, mbola tsy ela akory izay, ny fieritreretan’ny besinimaro dia nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy, araka ny fampianaran’ny Baiboly, na dia tsy nahalala akory io fampianarana io aza ny maro, ary tsy nanaiky ny fahefany. Ankehitriny kosa, mahakasika zavatra maro melohin’ny Baiboly, dia nanjary voarara ny miteny hoe : “Ratsy izany”. Ary nanafoana izay rehetra mety ho soridalana ara-pitondrantena ny fanalavirana an’Andriamanitra sy ny tsy finoana ny fisiany, na aseho miharihary io tsy finoana io na tsia. Mihoatra noho izany aza, miha mahazo vahana ny fikomiana amin’Andriamanitra, satria hoe tsy tokony hifampiditra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-piangonana, na koa hoe tsy tokony ho voatohintohina ny fahafahana.

Nefa ho an’ny kristiana te ho mahatoky, dia mitoetra hatrany ho soridalana tsy mba miovaova ny Baiboly, Ilay Tenin’Andriamanitra. Ny Baiboly no mampianatra azy mandrakariva ny atao hoe tsara sy ny atao hoe ratsy, araka ny fijerin’Andriamanitra. Izy no mampianatra ny kristiana izay tokony ho fihetsiny manoloana ny ratsy. Ny Baiboly no mitarika azy hanao ny tsara, eo amin’ny fifandraisany amin’ny samy olona. Tsy angatahin’Andriamanitra ny kristiana mba hitady hanatsara toejavatra iray melohin’ny Teniny, na hitondra tena eto amin’izao tontolo izao toy ny hoe milamina izao tontolo izao, na hifankazatra amin’izay mandoto ny saina. Fa mifanohitra amin’izany, na eo anivona tontolo feno fahavetavetana aza ny kristiana, dia ampianarin’Andriamanitra handeha amina lalana iray, dia ny lalam-pahadiovana ankasitrahiny. Mianatra mamantatra io lalana io ny kristiana, amin’ny alalan’ny finoana, mba hahasoa azy (Hebreo 5:14). Izany no lalana nosoritan’i Jesosy Mpamonjy, Ilay olona lavorary (Asan’ny Apostoly 10:38).

Ry kristiana, aoka hotsarovantsika ny vavaka nataon’ny Tompo ho an’ireo olona navotany : “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy” (Jaona 17:15).