Zoma 29 Marsa 2019

Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe : Tsy fantatro izany Lehilahy (Jesosy) izany ; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno. Matio 26:74

Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo nolazainy taminy hoe : ‘Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.’ Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra. Lioka 22:61-62

 

Krizy (11) : Ny tsy fahombiazana, ny fandàvana

Ny ohatra (Lioka 22:55-62) : Rehefa nanontany ny mpianany Jesosy hoe : “Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ?”, dia namaly i Petera hoe : “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16:15, 16). Finoana toy inona re izany ! Fitiavana toy inona koa moa no hitenenany hoe : “Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho” (Matio 26:35) ! Nefa ora vitsivitsy taorianan’izany dia intelo izy no nandà ho tsy mpianatr’i Jesosy.

Dona tena mafy izany, ho an’i Petera, tsy fahombiazana. Ho latsaka ao anaty famoizam-po ve izy ? Tsia, fa nitodika Jesosy, nojereny ilay mpianany ka lasa nivoaka sy nitomany mafy. Niatrika irery ny fitsarana Jesosy, voaheloka ho faty...

Taoriana kely anefa, nitsangana tamin’ny maty Jesosy, dia nahita an’i Petera indray, ary nanontany azy teo imason’ireo mpianatra hafa hoe : “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto ?” Dia namaly Petera hoe : “Eny, Tompoko ; Ianao mahalala fa tia Anao aho”. Koa dia nankinin’i Jesosy taminy ny fikarakarana ireo mpino mbola tanora (jereo Jaona 21:15).

Ny lesona : Nahoana moa i Petera no nandà ny mpampianatra azy ? Toa natoky tena loatra izy tamin’ny voalohany. Nihevitra izy fa tia fatratra ny Tompo, ka tsy ho afaka handà Azy… na dia hanao izany aza ny hafa.

Na mino sy tia ny Tompo amin-kafanam-po aza, dia tsy ampy izany hiaro antsika tsy handà Azy amina fomba iray na fomba hafa. Mba haha voatahiry antsika ho mahatoky, dia aoka isika hijanona eo anilan’ny Tompo, amin’ny eritreritra, sy amin’ny vavaka. Aoka hihaino Azy, hiantehitra amin’ny fitiavany, fa tsy amin’ny fitiavantsika. Raha tafalatsaka ao anaty fahotana isika, dia hataony toy ny nataony tamin’i Petera : hitenenany amin’ny fontsika sy ny fieritreretantsika, ka hareniny. Ary fanampin’izany aza dia havelany hanompo Azy.