Asabotsy 30 Marsa 2019

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko. Salamo 63:1

Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, fa Ianao no itokiako ; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako. Salamo 143:8

 

Ny tsiambaratelon’ny fijoroana ho vavolombelona tsara

Indreto misy ampahany amin’ny tantarana mpaminany roa ao amin’ny Testamenta Taloha.

Ny voalohany, i Elia, dia nanambara fa handidy ny hisian’ny haintany mbola tsy nisy toy izany, eo amin’ny tany manontolo : “Tsy hisy ando na ranonorana akory amin’izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany” (1 Mpanjaka 17:1). Toa hadalana ny fanaovana fanambarana tahaka izany ! Nefa dia nitranga tokoa izay nolazainy : tsy nisy ranonorana nilatsaka, na kely aza, nandritra ny telo taona mahery. Ny tsiambaratelon’izany hery izany dia voafehin’izao teny izao : “Nitsangana teo anatrehan’i Jehovah i Elia”. Niaina niaraka tamin’Andriamanitra izy, ary vonona ny hanompo Azy. Akaiky tokoa ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, hany ka afaka nahafantatra ny sitrapony izy ary afaka nandidy ny ranonorana toy izany.

Ny faharoa dia tsy nitovy taminy ; i Jona dia nandositra lavitra an’i Jehovah, tena nifanohitra tamin’i Elia mihitsy. Tsy te hitondra ny hafatra manahirana nampitondrain’Andriamanitra azy ho an’ny mponina tao Ninive izy. Niondrana tamina sambo hankany amina toerana hafa mihitsy izy, kanjo tonga ny tafiodrivotra ka voatery namboraka ny fahadisoany tamin’ireo tantsambo izy. Tsy nisy na inona na inona azony nanampiana azy ireo ; farany izy nilaza tamin’izy ireo hoe : “Betao aho, ka atsipazo any anatin’ny ranomasina, hahatony ny ranomasina aminareo ; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo” (Jona 1:12).

Mampianatra antsika Andriamanitra, amin’ny alalan’ny ohatra tsara nomen’i Elia sy ny ohatra ratsy nomen’i Jona. Na kristiana aza isika, dia mety “hitsangana eo anatrehan’Andriamanitra” na “handositra ... hiala eo anatrehan’i Jehovah”. Aoka isika hikolokolo fifandraisana feno fiadanana sy fahatokiana amin’Ilay Andriamanitsika : izany fepetra izany no hanomezan’Andriamanitra antsika hery sy fahombiazana amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona.