Alahady 31 Marsa 2019

Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny làlako ka manisa ny diako rehetra ? Joba 31:4

Ary ankehitriny, inona no andrasako, Tompo ô ? Ianao no antenaiko. Salamo 39:7

 

Ianao no nametrahako ny fitokisako

 

Ianao, Tompo ô, no nametrahako ny fitokisako.

Mahalala ahy Ianao, Anao aho.

Nanaraka ahy hatramin’ny fony kely Ianao,

Nofenoinao ny zavatsoanao rehetra aho.

Inona no hatahorako ? Tsy misy mampiahotra ahy.

Mandeha eo anoloako Ianao. Mitarika ahy ny feonao.

Raha manery ahy ny zavatra rehetra, dia ny fitiavanao

No mitrotro ahy sy mampahery ahy hatrany.

Ianao, Tompo ô, no nametrahako ny fitokisako.

Mahalala ahy Ianao, Anao aho.

 

Ianao, Tompo ô, no nametrahako ny fanantenako,

Na ho an’ny anio na ho an’ny rahampitso.

Satria ny fanohananao, fanohanana eo lalandava,

No momba ahy eny amin’ny lalana izorako.

Sady feno fahatoniana no feno hery

Ny lalan’ny kristiana, na dia misy sarotra aza.

Manafaka ahy Ianao, manala hetaheta ahy,

Mihaino ahy Ianao, mamaly ahy toy ny ataon’ny Ray.

Ianao, Tompo ô, no nametrahako ny fanantenako,

Na ho an’ny anio na ho an’ny rahampitso.

 

Tononkiran’i Ruth Demaurex, nadika malalaka