Alatsinainy 1 Avrily 2019

(Hoy Jesosy :) Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6

 

Jesosy, Ilay hany lalana hoe ?

Avy namelabelatra ny fototry ny finoana kristiana tamina mpianatra ity vehivavy kristiana iray. Rehefa nifarana ny lahateniny, dia hoy ity tovovavy mpianatra iray taminy :

— Tena mahaliana mihitsy ny zavatra nolazainao teo, saingy tery saina loatra ianao. Mandalina ireo karazam-pivavahana aho. Afaka niady hevitra tamina silamo, brahmane, shintoïste… Samy mahafantatra an’Andriamanitra avokoa izy ireo, na dia tsy mino an’i Jesosy Kristy aza. Tsindrianao loatra ny momba an’i Jesosy Kristy, ary tsy ekenao fa mety hisy fivavahana hafa azo ekena, ankoatra ny fivavahana kristiana.

— Tsy izaho no lavinao, fa ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra. Jesosy no nilaza fa tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalany.

Fotoana ela tatỳ aoriana, dia sendra nifanena ireo olona roa ireo. Velona ny resaka :

—Tsy nety nadinoko mihitsy ilay tenin’i Jesosy nambaranao, hoe: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako”. Niezaka nitady izao karazana hevitra rehetra izao aho, handavana io teny io, nefa tsy azoko ialana ny maha tenin’i Kristy izany.

Rehefa manamafy ny kristiana fa Jesosy Kristy no hany lalana mankany amin’ny Ray, ny tsy mpino dia manome tsiny azy ireo hoe tery saina loatra sy tsy mandefitra. Nefa ny fiteny toy ny hoe: “Samy manana ny ataony hoe marina”, na hoe : “Mitondra mankany amin’Andriamanitra avokoa ny lalana rehetra”, dia tsy miteraka afa-tsy fanjavozavoana sy fisalasalana, na dia mody mitafy fandeferana sy fisokafana amin’ny hafa aza.

Jesosy tokoa mantsy no hany lalam-pamonjena, satria Izy irery ihany no nanefa ny saran’ny fahotantsika. Tsy misy fivavahan’olombelona manolotra izany fanavotana tanteraka izany, satria Jesosy Kristy irery ihany no afaka manome izany.