Talata 2 Avrily 2019

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:9

Mibebaha ianareo, ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15

 

Nahoana Andriamanitra no mamela heloka

Vakio Lioka 15:11-32

“Ny heloka ibabohana, mody rariny”, hoy ny fiteny indraindray, mba hampirisihana ny olo-meloka hiaiky ny fahadisoany. Matetika tokoa mantsy dia sarotra ny mibaboka, satria atahorana ny sazy hihatra. Tsy fanenenana na fibebahana anefa no resahina ao anatin’io fiteny io, fa kosa ny mba hampihena ny ho vokatry ny fahadisoana. Tsy toy izany anefa no hahazoantsika manatona an’Andriamanitra.

Ao amin’io tantara resahin’ny Lioka 15 io, dia nandao ny tranon-dray aman-dreniny ilay zanaka adala, mba hiaina ao anaty fanaranam-po. Avy eo izy dia nahatsapa ny haratsin’ny toerana nisy azy. Koa rehefa tonga saina tamin’ny ratsy nataony izy, dia nanapa-kevitra hiverina any amin’ny rainy. Nefa mbola tsy afaka niseho teo anatrehan’ny rainy akory izy, dia nahita ny rainy nihazakazaka nitsena azy, feno fangorahana.

Toy izany mandrakariva ny miaraka amin’Andriamanitra. Ho an’izay miaiky sy mibebaka an-kitsimpo, dia manjary Ilay mpamela heloka sy mpanamarina Andriamanitra. “Ny fahotako nambarako taminao… ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako” (Salamo 32:5).

Rehefa niaiky heloka isika dia mandray famelan-keloka tanteraka sy tsy iverenana intsony avy amin’Andriamanitra. Andriamanitra dia fitiavana, ary mamindra fo amin’izay miaiky fa nanota. Marina sy masina Andriamanitra. Ara-drariny ny famelany heloka, satria Jesosy Kristy efa nanonitra, teo amin’ny hazofijaliana, ny fahotan’ireo rehetra mino Azy. Nisolo toerana antsika Izy, nizaka ny famaizana izany fahotana izany. Tsy hotsarovan’Andriamanitra intsony ireo fahotana ireo (Hebreo 8:12). Izany no fahasoavana goavana avy amin’Ilay Andriamanitra fitiavana, ho antsika tsirairay, raha mibebaka sy mitodika amin’i Jesosy isika.