Alarobia 3 Avrily 2019

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina. 2 Korintiana 9:15

 

Harena iombonana

Taoriana kelin’ny ady lehibe faharoa dia niasa tao amina mpandraharaha iray misahana momba ny kitay sy saribao aho. Noho ny tsy fisiana ankapobe tamin’izany fotoana izany, dia kely fotsiny no azonay namidy tamin’ny olon-tsotra. Izaho no tompon’andraikitra manara-maso ny fizarana. Nisy zokiolona iray tonga matetika niaraka tamin’ny sarety kely mba hividy kitay. Nokarakaraiko manokana izy. Indray andro dia nanontaniako izy hoe :

— Tsy mandreraka loatra ve ny manosika ity sarety kely feno kitay ity ?

— Mandreraka e, nefa mba fanomezana ho an’ireo zanako izy ity. Tena mahafaly ahy ny manome azy ireo ireto kitay ireto.

Tohina tamin’ny fandavan-tenany aho, ka nanontany hoe:

— Ary fantatrao ve ny fanomezana lehibe indrindra natolotra antsika ? Nitraka ilay lahiantitra, izay sondriana namatotra ny harona teo amin’ny sarety keliny, ka hoy izy, sady namirapiratra erỳ ny masony :

— Andriamanitra nanome antsika ny Zanany malalany !

Gaga aho, sady tena faly ! Fifandraisana ara-barotra no hany teo aminay, dimy minitra talohan’izao, nefa tampoka teo dia afaka nifampiresaka toy ny mpirahalahy izahay. Ny fahalalaham-pon’ity lahiantitra ity dia nampitodika ny masonay tamin’Ilay nanolotra ny harena lehibe indrindra tsy takatry ny saina : Jesosy Kristy nanome ny ainy hamonjy ny olona ! Taorianan’izany izahay dia faly nifampiresaka momba ny Tompo sy ny famonjena lehibe nataony.

 

Nomenao anay ny zavatra rehetra, Andriamanitra ô,

Tao amin’i Jesosy Kristy, Ilay fanomezana lehibe indrindra.

Amin’ny alalany no idiranay ao amin’ny fitoerana masina,

Amin’ny alalany no isaoranay ny anaranao.