Alakamisy 4 Avrily 2019

Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:14

Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 3:15

 

Loza mitatao sy fampitandremana

6 Avrily 2009 : nisy horohoron-tany tao amin’ny tanànan’i L’Aquila, any Italia. Trano tsotra sy trano lehibe maro no nirodana tamin’ireo mponina natory. Olona 308 no namoy ny ainy. Lehibe tokoa ny fihetseham-pon’ny olona manerana ny firenena. Nisy koa ny tezitra, nihevitra fa ny vaomieran’ny manam-pahaizana manokana, izay nivory enina andro talohan’izany, dia tsy nahay naminavina ny hamafin’ny loza mety hitranga, na tsy nanambara mazava tsara ny fehinkevitra nataony.

Tian’ny fiarahamonina tandrefana hofoanana araka izay azo atao ny loza manambana, na ireo izay fantatra mazava na ireo izay mety hiseho, ary izany dia eo amin’ny sehatra rehetra. Nefa zara raha misy mihaino ny fampitandremana atao. Ary tsy vao androany izany. Tantarain’ny Baiboly ny nampitandremana mazava tsara ny olona, fa handevona izao tontolo izao amina safodrano Andriamanitra (Genesisy 6 sy 7). Nanamboatra ny sambofiara i Noa, satria nino fotsiny ihany sy nankatò ny tenin’Andriamanitra, ary dia i Noa sy ny ankohonany ihany no niditra tao anatin’izany ka voavonjy.

Ankehitriny Andriamanitra dia mbola milaza mazava amin’ny olona fa ny famonjena dia atolotra ho an’ny olona rehetra mino ny sorona nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana, ka mibebaka. Lazainy antsika koa fa ny finoana ny sorona nataon’ny Zanany no hany fomba hialana mba tsy hiharan’ny fitsarana sy ny fanamelohana.

Henoy ny Tenin’Andriamanitra ! “Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36). Mety ho tara loatra rahampitso.