Zoma 5 Avrily 2019

Na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy… Fa manana ny zavatra rehetra aho. Filipiana 4:12, 13, 18

 

Krizy (12) : Ny tranomaizina

Ny ohatra (Asan’ny Apostoly 24:27) : Nanoratra ho an’ny kristiana tany Roma ny apostoly Paoly hoe : “Fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy” (Romana 15:29). Noheveriny angamba fa olona afaka izy no hankany amin’ireo mpino ireo, kanjo voasambotra tany Jerosalema. Mpigadra nafindrafindra tranomaizina izy no tonga tany Roma.

Fizahan-toetra mafy izany, ho an’i Paoly ! Izy izay nitety tany hatraiza hatraiza mba hitory ny Filazantsara, no indro nanjary tsy nanana fahafahana intsony. Na izany aza anefa dia tsy diso tsy akory ny Tompo, fa tena tao anatin’ny “fahafenoan’ny fitahian’i Kristy” tokoa izy no nigadra tany Roma. Tany izy no nanoratra ireo taratasy hampidirina ho anisan’ny Baiboly, ka hovakiana kristiana an-tapitrisany. Tany an-tranomaizina izy no nanoratra ireo taratasy ireo, ary nahatsapa ny fikarakaran’ny Tompo : “Manana ny zavatra rehetra aho”.

Ny lesona : Matetika ny Baiboly no miresaka ny tranomaizina ho toerana iasan’Andriamanitra amin-kery ho an’ireo olony nenjehina tsy ara-drariny. Toy izay nataony tamin’i Paoly, dia mampiasa mpino maro any an-tranomaizina Andriamanitra mba hanompo Azy, indrindra mba hiasa amin’ny fandinihana ny Baiboly. Tany am-ponja izy ireny dia afaka niaina zavatra tsy hay hadinoina, nampiseho ny tsy fivadihan’ny Tompo sy ny fahamarinan’ny Filazantsara.

Nefa, raha ny tokony ho izy, dia migadra any an-tranomaizina ny olona satria nanao ratsy… Na migadra isika na afaka miriaria, ny andro tsirairay dia fotoana ahafahantsika mahatsiaro an'Andriamanitra sy mivavaka aminy. Mety hampifanena antsika amin’ny Tompo ireo andro iandrasana sy iaretana fijaliana any an-tranomaizina… Maro ny olona toy izany, izay voasakana tsy ho any amina lalam-pahaverezana, ary nahita ny lalan’ny fanafahana, ny lalan’ny tena fanafahan’i Jesosy.