Asabotsy 6 Avrily 2019

Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. Matio 5:16

 

Hafatra tsy misy teny (1)

Ilay miaramila manamboninahitra britanika antsoina hoe Ernest Gordon (1916-2002) dia gadra an’ady tany Japana, nanomboka tamin’ny taona 1942. Nomena baiko izy sy gadra hafa an’arivony maro, hamboatra tetezana teo ambonin’ny renirano Kwaï, any anaty ala mikitroka, ho an’ny lalamby mampitohy an’i Thaïlande sy Birmanie. Nahaketraka saina sy nampamoy fo ireo gadra ny zava-niainana tsy manaja ny maha olombelona sy ny aretina ; ary ny fifandraisan’izy samy gadra dia feno fifampiahiahiana sy fahamafiam-po. Nanampy trotraka ny haratsiam-panahin’ireo mponina teny amin’ny tanàna samihafa nolalovany rehefa handeha hiasa.

Na izany aza anefa, talanjona ireo gadra ireo indray andro, nony tonga tao amina tanàna iray, satria nandray tsara azy ireo ny mponina tao. Tsy nifankahazo fiteny izy ireo, nefa dia nisy fitiavana lehibe hita taratra teny amin’ny fijerin’ny mponina. Ary rehefa nandroso nandeha ireo gadra, dia notolorany mangingina voankazo, atody, fanafody ary vola.

Hoy i Gordon nitantara : « Fantatray tatỳ aoriana fa kristiana ny mponina rehetra tao amin’io tanàna io. Namirapiratra tao amin’io toerana kely anaty ala mikitroka io ny fahazavan’ny finoana kristiana, satria nisy misionera vehivavy iray nahavita nanohy ny asany tao, na teo aza ny ady, talohan’ny naha voatery azy handositra.

Izany hatsaram-panahy izany dia nampahatsiaro anay gadra, fa mbola nisy ihany fomba fiaina manaja ny maha olombelona. Ary tsy nisy teny na iray aza, nefa dia tafita ny hafatry ny finoana kristiana tena izy. »

(hitohy)