Alahady 7 Avrily 2019

Jesosy namaly hoe : ... Izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko. Jaona 18:37

 

Nifanena tamin’i Jesosy izahay (2)

Tantarain’i Ernest Gordon ao amin’ny filazalazany ny fiainany ny nahatonga azy ho kristiana, taorianan’ny zava-nitranga noresahina omaly, fony izy gadra an’adin’ny Japoney tany Thaïlande, niara-nijaly tamin’ireo namany, namboatra ilay tetezana malaza miampita ny renirano Kwaï. Tany, taorianan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny mponina kristiana tao amin’ilay tanàna kely, ary tao anaty toejavatra sarotra dia sarotra, no nanapahany hevitra, niaraka tamina gadra vitsivitsy, hikaroka raha toa ka mifono fahamarinana tsy fantatr’izy ireo ny finoana kristiana.

« Vetivety foana, hoy ny nosoratany, dia nanjary namaky ny Baiboly izahay, isan-kariva, teny amina toerana iray mihataka ao amin’ny toby. Tamin’ny alalan’ny zavatra novakiana sy nifanakalozan-kevitra no nahafantaranay an’i Jesosy. Toa anay koa Izy, tsy mba nanana trano fonenana na namana ambony toerana. Izy koa dia nahalala hanoanana, hasasarana, fijaliana, fanilikilihana… Niaraka tamin’izany anefa dia olona azonay deraina ihany koa Izy, karazana namana tianay hananana, lehibe mpitarika azonay harahina.

Nahavariana anay ny maha olona Azy. Mpiasa Izy, kanefa dia olona afaka tanteraka : tsy nisy nahageja Azy na ny fiarahamonina, na ny fivavahana. Tsy afaka namotika Azy ny herin’ny ratsy. Marina fa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, kanefa dia nisy dikany na ny fahafatesany aza, satria nibaby ireo fahadisoantsika rehetra Izy. Ankehitriny Izy dia velona. Ny fitiavana nasehon’i Jesosy tamin’ny fomba faran’izay avo indrindra dia ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny olon-kafa no nojereny, fa tsy mba ny tenany. Naneho ny tenany tamintsika Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesosy, ilay mpandrafitra tany Nazareta, Ilay Teny tonga nofo. Ilay fahamarinana nokatsahinay dia tsy iza fa Jesosy. »