Alatsinainy 8 Avrily 2019

Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. 1 Jaona 4:14

(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, ... ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39

 

Mahiratra aho izao

Vakio Jaona 9:1-38

Nifanena tamina lehilahy iray jamba hatrany an-kibon-dreniny Jesosy. Nohosoran’i Jesosy fotaka ny mason’io lehilahy io, dia nirahiny izy hisasa any amin’ny farihy Siloama (izay midika hoe « Nirahina »). Nankatò ilay lehilahy jamba, nisasa, ary niverina tany an-tanànany, nahiratra. Izy izay tsy nahita hatrizay, dia nijoro ho vavolombelona hoe : “Jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao” !

Talohan’ny nanasitranany azy dia nilaza Jesosy hoe : “Raha amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao” (and 5). Tsy afaka nahita an’i Jesosy ity lehilahy jamba ity, kanefa rehefa nisasa tao amin’ny farihin’i Siloama izy, dia nihiratra ny masony, tsy hoe satria izy nahita an’i Jesosy, fa satria izy nihaino sy nino Azy.

Niha nazava kokoa hatrany ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesosy. Niresaka Lehilahy iray antsoina hoe Jesosy aloha izy, avy eo dia nilaza fa mpaminany io Lehilahy io, ary manaraka izany dia hoe olon’Andriamanitra. Nony farany dia nanatona azy Jesosy ka nilaza taminy hoe : “Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ?... Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy”.

— “Tompoko, mino aho”, hoy ny valiteniny. Toy izany ny fahazavana miha mitombo ao anatin’ny fo iray, mandra-pitataovovonana ny andro (Ohabolana 4:18). Fantany fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra.

Ity lehilahy teraka jamba ity dia maneho antsika rehetra. Vao teraka isika dia jamba ara-panahy, tsy afaka nahafantatra an’i Jesosy, Ilay “fahazavan’izao tontolo izao”. Mba hahitantsika Azy, dia tsy maintsy sokafana ny mason’ny saintsika (Efesiana 1:18). Ny Tenin’Andriamanitra (ny farihy Siloama) no mahatonga antsika hahita an’i Jesosy, Ilay Nirahin’Andriamanitra. Noho izany teny izany, dia misokatra ho amin’ny “fahazavan’aina” ny masontsika. Mino isika fa Jesosy no Ilay Mpamonjy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Faly isika manambara hoe : “Jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao”.