Talata 9 Avrily 2019

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. Romana 8:28

Andriamanitra ... mahatanteraka ho ahy. Salamo 57:2

 

Ny zavatra fantatsika

Tahaka ny olona rehetra, ny kristiana dia mifanehatra amina toejavatra tsy mahafinaritra, fahadisoam-panantenana, fizahan-toetra tsy takatry ny sainy… Mety hanakorontana ny sainy izany, ary mety hahavery hevitra azy. Nefa afaka miteny izy hoe : fantatsika (Romana 8:28). Io teny hoe “fantatsika” io dia toy ny vatolampy eo afovoana ranomasina misamboaravoara, toy ny fanilo ao anaty zavona.

— “Fantatsika” : tsy hoe “antenaintsika” ; ary tsy hoe “takatsika” ihany koa, satria matetika dia tena tsy takatsika tokoa ! Fa ny hoe “fantatsika” kosa, dia zavatra tena azo antoka ho an’ny finoana.

— “fa ny zavatra rehetra” : tsy misy toejavatra, tsy misy na inona na inona azo esorina tsy ho anisan’io hoe “zavatra rehetra” io, fa mahafehy ny zavatra rehetra izany !

— “dia miara-miasa” : mety tsy ho tsapantsika angamba, fa ny toejavatra miseho eo amin’ny fiainantsika dia mifampitohy sy miara-miasa ho amina tanjona kendren’Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona tsy ilaina, tsy misy avy amin’ny kisendrasendra.

— “hahasoa” : mety tsy hahafinaritra ny toejavatra avelany hiseho, ary mety hampahory ny trangan-javatra. Saingy na inona na inona mitranga, Andriamanitra dia mikatsaka mandrakariva izay hahasoa antsika. Noho ny fahasoavany aza, dia hararaotiny mihitsy ny “ratsy” (ohatra, ny fahadisoantsika) mba hitondra soa ho antsika.

— “izay tia an’Andriamanitra” : Andriamanitra dia fitiavana, ary ny fitiavany dia efa narotsany tao anatin’ny fon’ireo zanany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina (Romana 5:5). Ny hoe “tia an’Andriamanitra”, izany, dia toetra mampiavaka ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ireo zanany.

— “dia izay voantso araka ny fikasany rahateo” : nataon’Andriamanitra ho andraikiny ny hitady sy hahita ireo olona ireo ary ny hamonjy azy. Ankehitriny dia mandray azy ireo an-tanana Izy, ary manao izany hatramin’ny farany.