Alarobia 10 Avrily 2019

Tamin’izany andro izany dia tsy nanana an’i Kristy ianareo, ... tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao. Efesiana 2:12

(Hoy Jesosy :) Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Jaona 15:11-12

 

Tsy nametra-panontaniana aho

« Tsy dia niezaka hieritreritra momba ny dikan’ny fiainako aho. Nampatahotra ahy izany. Niaina toy ny fanaon’ny olona rehetra aho, nanaraka izay fanaon’ny olona. Izaho rahateo koa moa, tsy dia hoe ratsy toetra manao ahoana…

Tamin’ny taona 2003 ny fianakaviako dia nandray tovovavy mpianatra kanadiana iray 18 taona ; Jillian no anarany. Kristiana izy, ary sambany aho vao nifanerasera tamina olona niaina fifandraisana amin’Andriamanitra. Nanjary nifandray akaiky izahay. Tsy dia tena liana tamin’ny adihevitray momba ny finoana aho, nefa nanaja azy noho ny fandeferako aminy.

Indray andro i Jillian dia nandeha namonjy fanompoam-pivavahana niaraka tamina fianakaviana iray tao an-tanàna. Nanaraka azy aho, mba te hahita hoe manao ahoana izany. Ny asabotsy manaraka dia nasaina aho mba hiaraka amin’ny tanora ao amin’ilay fiangonana. Nanaitra ahy ny fifaliana sy ny fifankatiavana nisy teo amin’izy ireo. Noresahin’izy ireo tamiko ny fomba nanovan’Andriamanitra ny fiainan’izy ireo, ary nanohy nankany am-piangonana aho, mba hahafantatra raha tena marina tokoa izany rehetra izany.

Nanomboka namaky ny Baiboly aho. Koa dia fantatro fa tsy angano fotsiny tsy akory Jesosy, fa olona tena nisy marina. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hanefa ny saran’ny fahadisoantsika. Izy no Zanak’Ilay Andriamanitra Izay tena misy tokoa !

Ahoana no hahafahan’Andriamanitra manova ny fiainako ? Nanjary fantatro fa tsy mila fombafomba be izany, fa ampy ny mivavaka aminy. Nangatahiko Izy mba hamela ny heloko noho ny tsy finoako, sy mba hiditra eo amin’ny fiainako. Dia nivoatra niandalana aho. Nasehon’Andriamanitra ahy tsikelikely ny ratsy nataoko. Nanomboka nankahala tanteraka azy ireny aho, ary nanova ahy Andriamanitra. Afaka miresaka aminy malalaka aho, fantatro fa mihaino ahy mandrakariva Izy. Manohana ahy amin’ny fanatrehany Izy. Manana toerana eo amin’ny fiainako Andriamanitra ! »

Claire