Alakamisy 11 Avrily 2019

Hoy Jesosy taminy : Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Jaona 6:35

 

Izaho no mofon’aina (1)

Impito Jesosy no manambara ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona hoe: “Izaho no” : “Izaho no mofon’aina” (6:35). “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao” (8:12). “Izaho no vavahadin’ondry” (10:7). “Izaho no Mpiandry Tsara” (10:11). “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana” (11:25). “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana” (14:6). “Izaho no tena voaloboka” (15:5).

Hoy koa Izy: “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (8:58), namerina ilay anarana hoe “Izaho Izay Izy”, anarana nanehoan’Andriamanitra ny tenany tamin’i Mosesy, ilay mpitarika ny Zanak’Israely (Eksodosy 3:14). Manamafy Izy amin’izany, amin’ny fomba tsy azo toherina, ny maha Andriamanitra sy ny maha misy mandrakizay Azy.

Ny mofon’aina : Ampahatsahivin’ny fahagagana vao nataon’i Jesosy mba hamahanana ny vahoaka, fa tany an-taniefitra Andriamanitra dia nanome isanandro ho an’ny vahoakany ny mana, ilay “mofo avy any an-danitra” (Jaona 6:31). Saingy maty ihany izay nihinana izany. Koa maneho ny tenany ho ilay tena mofo avy any an-danitra Jesosy, dia ilay mofon’aina manome ny tena fiainana ary mikolokolo izany ao anatin’izay nandray azy.

Mila mofo ny vatantsika, ary toy izany koa, mila mivelona amin’i Jesosy Kristy ny fanahin’ny kristiana, izany hoe mihevitra Azy, mihevitra ny momba Azy tetỳ an-tany, ny nahafatesany, ny nitsanganany tamin’ny maty, ny fiandrianany ankehitriny any an-danitra… Koa inona ary no mameno ny eritreritsika ? Inona no amelomantsika azy ? Te hitoetra ho zaza amin’ny finoana ve isika ? sa te hitombo sy hahatakatra bebe kokoa izay tian’Andriamanitra hampitaina amintsika (Efesiana 4:14-15) ?

Aoka isika hamaky ny Baiboly, mba hitomboantsika “amin’ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika” (2 Petera 3:18).

(hitohy ao anatin’ny herinandro 6 misesy)