Zoma 12 Avrily 2019

Ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota. Romana 6:11

Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te ho tia, na inona na inona tsara laza, ... dia hevero izany. Filipiana 4:8

 

Sain-dratsy

Ny devoly ve no mampitsiry ireo sain-dratsy ao amin’ny mpino iray ?

Tsia, tsy ny devoly, fa tena ny toetra maha mpanota, izay mbola ao anatin’ny mpino.

Hoy ny Tompo Jesosy : “Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy…” (Matio 15:19). Mbola ao anatintsika ny loharanon’ireo eritreritra tsy sahy ambara. Saingy manana traikefa lehibe ny devoly, iasany amin’ny olona. Hainy ny tokony hatao mba hampihetsika ireo faniriantsika, hanaitra ny fitsiriritantsika ary hitarika antsika hanota. Ireo sehatra tena maha marefo antsika no ifantohan’ny fanafihany indrindra.

Ny fisainana hafahafa tonga ao anatintsika dia efa tokony ho fanairana antsika hoe manafika i Satana. Haintsika ve ny mitodika avy hatrany amin’i Jesosy, mba ho afaka ? mitodika amin’i Jesosy, Ilay efa naharesy an’i Satana. Handositra izy, raha vao miantso ny Tompo isika. “Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany ; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo” (1 Petera 5:8, 9).

Aoka isika hamaky ny Tenin’Andriamanitra. Io Teny io no hanadio ny fieritreretantsika, hihazona azy hifoha, ary hahatonga azy hahafantatra izay rehetra mety ho fisainana maloto. Izy no hanazava antsika, hamelona ny fanahintsika amin’ny zavatra tsara, hanoro antsika ny lalana mahitsy. Raha ao am-pontsika ny Tenin’Andriamanitra, dia ho fiadiana mahomby handroaka ny fahavalo. “Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao… Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao” (Salamo 119:11, 105).