Asabotsy 13 Avrily 2019

Ralehilahy (Adama) sy ny vadiny (Eva) niery ny tavan’i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ny saha. Genesisy 3:8

Ny sezafiandrianan’i Jehovah dia any an-danitra ; ny masony mijery ... ny zanak’olombelona. Salamo 11:4

Hoy Natanaela taminy : Ahoana no ahafantaranao ahy ? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe : ... hitako teo ambanin’ny aviavy ianao. Jaona 1:48

 

Handositra tsy ho hitan’Andriamanitra hoe ?

Nisy fifohazam-panahy tao amina tanàna kely iray tany Tarn (Frantsa), tamin’ny taona 1800 tany ho any. Mponina iray tao no mitantara :

« Fony mbola tanora aho dia lasa eritreritra fatratra tamin’izay zava-nitranga teto an-tanàna. Vao maraina be, ary rehefa hariva dia hariva ihany koa, dia misy lehilahy sy vehivavy manao andiany mandeha isanandro ao amina toerana malaladalaka iray ao anaty ala. Tapa-kevitra aho ny ho any, mba hijery raha marina tokoa izay nolazaina tamiko. Somary taratara aho vao nandeha, mba tsy hifanena aman’olona eny an-dalana. Rehefa tonga teo amin’ny toerana nihaonana aho, dia naka toerana tao ambadiky ny hazo iray, somary akaiky ihany, mba haharaka tsara izay rehetra hatao sy holazaina mandritra ny fivoriana.

Tao anatin’ny bokin’ny Genesisy no nanovozan’ilay mpitoriteny ny hafatra nampitainy, ary noresahiny tamin’ny antsipiriany ny momba an’i Adama, ilay lehilahy nandositra an’i Jehovah ka niafina tao ambadiky ny hazo tao amin’ny saha Edena. Nentanin’ny lahateny nataony izy, ka tampoka teo dia niteny mafy hoe : “Misy olona eto, miafina ao ambadika hazo. Olona mihevitra fa tsy hitan’Andriamanitra ary mandà tsy hihavana aminy !”

Ankona aho, noheveriko fa nahita ahy ilay mpitoriteny ary niteny tamiko. Tsy afaka nandositra aho, ary resy lahatra fa very sy manota, ka nitambotsotra tao ambadik’ilay hazo niafenako, nitalaho tamin’Andriamanitra mba hamindra fo amiko mpanota. »

Tsy hay atao ny handositra ny mason’Andriamanitra ! Fantany avokoa ny momba antsika (vakio Salamo 139), ary tsy maintsy mbola hampamoahiny isika. Kanefa indro misy vaovao mahafaly : tia antsika amin’izao maha isika antsika izao Andriamanitra, ary te hanana fifandraisana feno fahatokiana amintsika, fahatokiana miorina amin’ny famelan-keloka atolony ho an’izay rehetra mibebaka. Koa ny fiadanana dia handroaka ny tahotra sy ny fahamelohana.