Alahady 14 Avrily 2019

Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, ... niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona, tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. 1 Petera 1:3

 

Nahoana no Jesosy Kristy ?

Misy angamba hanontany tena hoe inona moa no ifandraisantsika amin’ny fiainana Lehilahy iray nandia ny tany 2000 taona lasa izay ? Nefa dia Jesosy Kristy no nanokatra ny varavarana ho amina fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra, ho amina fihetsika vaovao manoloana ny fiainana, ho amina fanantenana manoloana ny fahafatesana ary ho amin’ny fanafahana amin’ny fitsarana.

Rehefa mifampiraharaha amin’i Jesosy Kristy isika, dia tsy miatrika olona tsotra fotsiny, fa miatrika an’Andriamanitra mihitsy, Izay nanokatra ny lalan’ny famonjena. Safidin’Andriamanitra ny hiasa tamin’ny fomba avo lenta indrindra, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, maty sy ny nitsangana tamin’ny maty. Jesosy Kristy no nahatonga antsika hanana fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra. Tsy tranga ara-tantara 2000 taona lasa fotsiny mantsy ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana ; fa hatreo io tranga io dia fototra iorenan’ny fiainam-baovao iainan’ny mpino (1 Petera 2:24). Raha tsy nisy io asa notanterahina teo amin’ny hazofijaliana io, dia tsy ho nisy famonjena ho antsika ankehitriny. Ny sorona nataon’i Kristy no sandan’ny fanavotana atolotr’Andriamanitra ho an’ny olona tsirairay.

Izao no zava-misy : zavatra manintona ao amin’i Jesosy Kristy, tranga namakivaky ny taonjato maro sy nampieritreritra olona maro. Tsy misy afaka tsy hiraika manoloana ny fampianaran’i Jesosy Kristy momba ny fitiavana. Mampandini-tena antsika ny fahefana iresahany momba ireo olana lalina indrindra iainan’ny olona. Heverintsika ho tena tsy rariny ny nahafatesany, ary ho tena mahagaga ny fijoroana ho vavolombelona momba ny nitsanganany tamin’ny maty ! Kanefa dia izany nahafatesany sy nitsanganany izany indrindra no mahatonga hoe izay mahakasika Azy dia mahakasika ahy koa… Mino izany ve aho ?

Namboarina avy amin’ny lahatsoratr’i Alister McGrath