Alatsinainy 15 Avrily 2019

(Hoy Jesosy :) Tsy mandray laza avy amin’olona Aho… Ny laza avy amin’ny Andriamanitra Tokana ... tsy tadiavinareo. Jaona 5:41, 44

Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako ; ny Raiko, ... Izy no mankalaza Ahy. Jaona 8:54

Andriamanitra ... nanangana Azy (Jesosy Kristy) tamin’ny maty ka nanome voninahitra Azy. 1 Petera 1:21

 

Mamy hoditra

Rehefa fotoanan’ny fifidianana, ny mpilatsaka hofidina rehetra dia samy mitady izay hahafantarana azy, izay hahangonany olona maro, izay handreseny lahatra amin’ny fampanantenana mampilendalenda…

Jesosy tonga tetỳ an-tany no Ilay Mesia nampanantenaina, Ilay mpanjakan’ny Jiosy. Mba hankasitrahan’ny olona Azy, dia ho azony natao koa ny nanasongadina ireo anaram-boninahitra maha Izy Azy sy nampiasa ireo fahagagana vitany. Nefa tsy nataony izany. Fa niaina tao anaty fanetrentena lalina aza Izy (Matio 11:29). Rehefa nisy tsy finoana teo amin’ny olona, dia vitsy kokoa ny fahagagana nataony (Matio 13:58). Nefa dia vahoaka marobe no nanaraka Azy, satria voasinton’ny fitiavany sy ny fangoraham-pony. Nanambara mazava ny marina mandrakariva Jesosy, fa tsy mba namboamboatra izany. Niaiky ny olona rehetra fa nifanaraka tamin’ny Soratra Masina ny asany sy ny teniny.

Tsy mba nitady ny ho mamy hoditra tamin’ny olona Jesosy. Nijanona teo amin’izay nitoerany ihany Izy, rehefa nampirisihin’ireo rahalahiny mba hiseho “amin’izao tontolo izao” (Jaona 7:4) sy handeha hamonjy ny andro firavoravoana any Jerosalema, mba hahitan’ny olona ireo fahagagana ataony. Rehefa nilaza taminy ireo mpianany fa tadiavin’ny olona rehetra Izy, dia namaly tsotra hoe : “Andeha isika hiala” (Marka 1:38). Ary rehefa notadiavin’ny olona hatao mpanjaka Izy, dia nandeha nitokana mba hivavaka, satria mbola tsy tonga ny fotoanan’Andriamanitra hanjakany (Jaona 6:15).

Nankasitrahin’Andriamanitra io Lehilahy manetry tena sy mahatoky io, Izay nahatsiaro sambatra, nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra (Matio 17:5). Izany toetra izany koa no mba tokony hamirapiratra eo amin’ny fiainan’ny mpino tsirairay, izay velomin’ny ain’i Kristy.