Talata 16 Avrily 2019

Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra... Izany no tsara ka ankasitrahina eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika. 1 Timoty 2:1, 3

Mivavaha, ka aza mitsahatra. 1 Tesaloniana 5:17

 

Mivavaka

Nilaza mandrakariva i Martin Lotera (1483-1546) fa arakaraka ny naha betsaka ny asany no nanokanany fotoana betsaka hivavahana. Tombontsoa manokana tsy hita pesipesenina ho an’ny kristiana ny mivavaka, na alohan’ny hanombohany asa aman-draharaha amin’ny maraina —na tery aza ny fotoana—, na rehefa hariva, na koa mialoha ny handraisany izay rehetra mety ho fanapahan-kevitra. Ny hoe mivavaka dia miresaka ao anaty amin’Andriamanitra na miteny mafy aminy, ary na irery na miaraka amin’ny besinimaro no miresaka aminy. Am-panajana sy am-pitsaohana no anaovana izany, sady toy ny miresaka am-pahatokiana amina ray.

Ny vavaka dia mety hanana endrika fangatahana —fangatahana mila ny heriny sy ny fahendreny—, na fitalahoana, na fangatahana ho an’ny hafa. Rehefa manoloana toejavatra maika isika, dia mipololotra avy ao am-pontsika ny vavaka, ary mampitony antsika. Ny vavaka dia fankasitrahana ihany koa, mba hisaorana an’Andriamanitra. Aoka isika hivavaka ho an’ny olona rehetra, ho an’izay rehetra ataon’Andriamanitra mifanena amintsika. Ary tsy ho an’ireo izay tiantsika ihany tsy akory ! Angatahin’Andriamanitra isika ho tia na dia ireo halantsika indrindra aza, sy hivavaka ho an’izay manenjika antsika… (Lioka 6:28). Homen’ny Tompo hery isika hahatanterahana izany, satria didiny izany. Amin’ny alalan’ny Fanahiny dia fenoiny amin’ny fitiavany isika ary ataony mahavita mivavaka na dia ho an’ireo fahavalontsika aza.

Ny Tompo Jesosy no ohatra faratampony : “Ny fitiavako dia valiany fandrafiana ; fa izaho kosa dia mivavaka” (Salamo 109:4). Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia nivavaka ho an’ireo mpampijaly Azy, hoe : “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Rehefa notoraham-bato i Stefana dia nanaraka ny ohatra nomen’Ilay Mpampianatra azy, ka nivavaka hoe : “Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao” (Asan’ny Apostoly 7:60).