Alarobia 17 Avrily 2019

(Hoy Jesosy :) Lazaiko aminareo marina tokoa : Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. Matio 25:40

 

Manaraka ny ohatra nomen’Ilay Mpampianatra

Abraham Lincoln (1809-1865), filohan’i Etazonia, dia nijery matetika ny mpianatra milalao tao amina sekoly iray teo amin’ny tany malalaka ao ambadiky ny Lapam-panjakana (Maison-Blanche). Indray andro izy dia nahita zazalahy vitsivitsy nanaraby mpianatra iray ratsiratsy fitafiana.

Tohina ny filoha noho ny nampahoriana io mpianatra fadiranovana io. Dia fantany fa miaramila maty an’ady ny rain’io zazalahy 9 taona io, ary ny reniny mpanasa lamba, mba hamelomany ny ankohonany.

Ny herinandro manaraka dia fitafiana vaovao no nanaovan’ilay mpianatra nankany an-tsekoly. Kevoka erỳ izy nitantara tamin’ny iray kilasy fa tonga tany an-tranony ny filoha, ary nitondra ny fianakaviany manontolo hividy fitafiana vaovao, sy nampanatitra vatsy maro sy saribao betsaka ho azy ireo. Ary ambonin’izany rehetra izany dia nisy taratasy nosoniavin’ny filoha mihitsy, ho an’ny iray kilasy, navoakany avy tao am-paosiny, nisy izao teny izao : “Azafady, mba soraty eo amin’ny solaitrabe ity andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Baiboly ity : Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko” (Matio 25:40).

Tatỳ aoriana kely dia tonga tao amin’ilay sekoly ny filoha. Noresahiny tamin’ireo mpianatra ny trangan-javatra hitany teo an-tokotany, ary nohazavainy ny hevitr’ilay andininy mbola nisoratra teo amin’ny solaitrabe. Voakasik’izany hafatra avy ao amin’ny Baiboly izany ireo ankizy, ka niova fihetsika.

Ho azon’ny filoha natao tsara ny nananatra tsotra fotsiny ireo ankizy. Saingy safidiny ny nampihatra ny Tenin’Andriamanitra, ary avy eo ny nanazava izany, satria fantany fa mandresy lahatra ny fo ny fahefan’izany teny izany.