Alakamisy 18 Avrily 2019

Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

 

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao (2)

Ity “Izaho no” faharoa notononin’i Jesosy ity dia akon’ny faminanian’Isaia momba ny Mesia : Izy no tokony hitondra ny fahazavana, tsy ho an’ny Israely ihany, fa ho an’izao tontolo izao mihitsy. “Homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Ianao” (Isaia 49:6).

Ny fahazavana omen’Andriamanitra dia “mamirapiratra ao amin’ny maizina” : maneho ny tena endriky ny tontolo manodidina antsika izy, ary mampiharihary ao am-pontsika izay tiantsika hafenina ao. “Mahazava ny olona rehetra” io fahazavana io (Jaona 1:5, 9), kanefa ny fiantraikany dia miankina mandrakariva amin’ny fomba andraisana azy. Azontsika atao ny miafina manoloana azy, na mandositra azy, toy ireny bibikely miolomay miafina any an-toeran-kafa ireny, rehefa aingaina ny vato niafenany. Ary dia tsy misy akony izy amin’izay. “Naleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava”. Nefa raha tena miroso lalina tokoa ny fo —araka izay tsindrian’ny teny hoe : “izay manaraka Ahy”—, dia mpitari-dalana sy loharanom-pitahiana ny fahazavana omen’Andriamanitra. “Fahazavan’aina” izy, ho an’izany fo izany.

Ny hoe manaraka an’i Jesosy dia matoky Azy amin’izay rehetra mahakasika ny tena —tia ahy Izy, hendry noho izaho Izy— ary mankatò Azy amin’izay rehetra lazainy amiko : “Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy”, hoy Jesosy (Jaona 12:46).

Fahiny ny vahoakan’Andriamanitra dia nandroso nankany amin’ny tany nampanantenaina, tamin’ny fanarahany ny andry rahona, izay nanazava sy nitarika azy ireo. Toy izany koa, ankehitriny Jesosy dia mandeha miaraka amintsika, ary ny Teniny no fanazavana ny lalantsika (Salamo 119:105).