Zoma 28 Jona 2019

Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana ; fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza. Ohabolana 18:24

(Hoy Jesosy :) Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Jaona 15:14

 

Tambazotram-pifandraisana sy tena sakaiza

Ny tambazotram-pifandraisana dia ahazoana “namana” maro, amin’ny fomba faran’izay mora ka mahatalanjona. Bokotra kely iray monja no tsindriana, dia mitombo iray ny isan’ny olona manjary “namana”, amin’ny alalan’ny internet. Saingy samy hafa tanteraka ny toetran’ny fifandraisana amin’ny tsirairay amin’ireo “namana” ireo sy ny fifandraisana amin’ilay sakaiza voalaza ao amina andinin-tSoratra masina maro ao amin’ny Baiboly !

“Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra” (Ohabolana 17:17), fanatrehana mahasambatra rehefa milamina tsara ny zavatra rehetra, ary koa amin’ny andro sarotra. Io dia tsy fifandraisana miankina amin’ny tombontsoan’ny andaniny na ny ankilany, fa fifamatorana mafy, ahafahan’ny tsirairay miteny, na mangina, na mihetsika, araka izay ilàna izany. Mampahery antsika ny fifandraisana toy izany, rehefa eo ny fizahan-toetra. Henoy ny tenin’i Jesosy, ora vitsivitsy talohan’ny handehanany eny amin’ny hazofijaliana, hoe : “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany”, “Efa nataoko hoe sakaiza ianareo” (Jaona 15:13, 15).

Aoka isika tsy hiantehitra amin’ny isan’ny “namantsika” ao amin’ny tambazotram-pifandraisana, fa kosa handanjalanja ny maha zava-misy ireny “fisakaizana” ireny. Aoka aloha hanampy isa na hikolokolo ny fifandraisana amin’Ilay tsy mba handiso fanantenana antsika na oviana na oviana, dia Jesosy, Ilay Mpamonjiko, Ilay Tompoko, Ilay tena Sakaizako. Fantany tsara ny fifaliako sy ny fahoriako, hainy ny manome ahy fahasambarana goavana, feno lavitra noho izay fahafinaretana miserana. Manome toky ahy Izy raha ao anatin’ny fitsapana aho, ary mihazona ahy ho tony. Farany, mampanantena ahy Izy fa ho eo anatrehany mandrakizay aho. Ny hany tokony hataoko dia ny miaiky ny otako eo anatrehany, sy ny manaiky fa Izy, Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia maty sy nitsangana tamin’ny maty hamonjy ahy. Loka iankinana aina izany, ho an’ny mandrakizay, ary mitondra fahasambarana sy fiadanana !