Asabotsy 29 Jona 2019

Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory... Nanony ny rivotra mahery Izy... Dia faly ireo, satria nitsahatra izany ; ary nentiny ho amin’ny fitodiana niriny izy. Salamo 107:28-30

Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy ? Marka 4:41

 

Toy ny sambo ny fiainanao

Ny fiainan’ny olombelona dia mitovy amina fandehanana eny an-dranomasina, indraindray tony, indraindray tandindomin-doza. Miantomboka eny amoron-dranomasina ny dia, manaraka soridalana mety misy marika na tsia. Araka izany dia manana soridalana azo antoka ny sambo, afa-tsy amin’ny fotoana maha be zavona.

Tsy ny ankizy rehetra no manana tombony hiaina ny fahazazany ao anaty fahasambarana, voahodidina fitiavana. Saingy izy rehetra ireo dia samy miatrika ny onjan’ny taona maha zatovo sy ny ranomasimbe, izay mahasanganehana, mampitebiteby, rehefa mifangaro ny faravodilanitra sy ny ranomasina. Ilay fahafahana vaovao dia toa mahafanina. Koa mety hampivily lalana ny zatovo ireo rivotra sy onjan-drano manodoka, ary tsy tsapa avy hatrany izany. Firifiry moa ireo feo, ireo karazam-pivavahana eto an-tany ! Ahoana no hahitana ny lalana tokony hizorana, ao anatin’ity tontolo feno loza ity ?

Ny tantsambo dia nanana lalandava fomba famantarana tsy miovaova, mifototra amin’ny kintana. Afaka mahafantatra izay toerana misy azy izy ireo, amin’ny alalana fitaovana mifandraika amin’izany ; ary afaka manaraka mandrakariva ny soridalany, amin’ny alalan’ny tondroavaratra. Inona no hany torolalana azo antoka mba hitantanana ny fiainantsika eto an-tany ? Tsy inona fa ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra, izay “fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako” (Salamo 119:105).

Na ao anaty tafio-drivotra aza, lavitry ny famantarana rehetra, dia eo ny Baiboly, toy ny onjam-peo mampifandray ny tantsambo tra-pahasahiranana amin’ny tontolon’ny olombelona, miresaka amintsika ny momba an’Andriamanitra, Izay “Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana” (Salamo 46:1). Vonona Andriamanitra hiresaka amin’ny olona rehetra very lalana ka mitady Azy.