Alahady 30 Jona 2019

Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra ! Nataonao eny amin’ny lanitra ny voninahitrao. Salamo 8:1

 

Ireo asanao tena kanto

 

Hihira ireo asanao tena kanto aho, ry Tompo !

Ary ny fahefanao tsy misy fetra sy ny fahalehibeazanao faratampony ;

Hampiarahiko amin’ny hiran’ny olom-boavidy

Ireo fihirana apetraky ny Fanahinao ato am-poko.

 

Eny, ry Tompo Andriamanitray, mahavokatra ny teninao !

Asan’ny feonao fahiny izao tontolo rehetra izao ;

Niteny Ianao… dia niara-nivoaka avy tamin’ny tsy misy

Ny rivotra, ny lanitra, ny tany sy ny onjan-drano.

 

Ho levona izao tontolo izao ; indray andro any dia hihozongozona

Hatrany amin’ny fanorenany ity trano lehibe ity.

Fa ny fahendrenao kosa, ry Andriamanitra lehibe, sy ny fahamoram-panahinao, ny fahamarinanao

Dia haharitra amin’ny fotoana rehetra.

 

Ary Ianao, ry Tompo, dia mampanantena tany vaovao

Izay honenan’ny vahoakanao ao ambany lanitra vaovao.

Hiaraka aminao mandrakariva ao izy ireo,

Ary hameno fifaliana mandrakizay azy ireo ny fanatrehanao.