Alatsinainy 1 Jolay 2019

Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina ; ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

 

Izao tontolo izao : zavatra hafahafa hoe ?

“Indray maraina mahafinaritra aho dia nanontany tena momba izay niaviantsika, sy izay halehantsika, ary izay ataontsika eto amin’ity tany ity. Nahoana moa no misy zavatra, fa tsy hoe foana ?” Jean d’Ormesson, mpanoratra sady filôzôfa, dia nanontany tena momba ny zava-miafin’izay ho fiafarantsika sy ny dikan’ny fiainana, ary niaiky ireo fisalasalany sy ireo tsy fahazoany antoka. Fanontaniana lehibe ireo, ary iankinan’ny fiainantsika ankehitriny sy ny hoavintsika mandrakizay. Saingy nahoana moa isika no hijanona foana eo amin’ny fametrahana fanontaniana, toy io mpanoratra io ? Tokony ho fantatsika fa raha tsy manambara ireo fiheviny Andriamanitra, dia ho diso hevitra lalandava ao anaty vinavina tsy misy dikany isika.

Ny Baiboly no “ilay Boky” itenenan’Andriamanitra amintsika. Hitantsika ao ny tantarantsika eto an-tany sy ny hiafarantsika araka ny drafitr’Andriamanitra. Nasehon’Andriamanitra tao amin’ny fahariana ny heriny sy ny fahendreny ary ny hatsaram-pony. Nampidirin’ny olombelona teto amin’izao tontolo izao ny ratsy, ka niseho tamin’izany ny toe-tsainy : tsy nanaja ireo didin’Andriamanitra izy ary tsy nankatò. Asehony isanandro, amin’ny ady, ny herisetra, ny fahalovana hatraiza hatraiza, fa tsy afaka ny tsy hanao ratsy izy. Andriamanitra dia “madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy” (Habakoka 1:13), nefa koa fitiavana ary Tsitoha. Tsy misy mahasakana ny drafitra nataony. Safidiny ny haneho ny fitiavany olona ratsy fanahy, ka nomeny azy ireo ny fomba haha voavela heloka azy ireo, ary hidiran’izy ireo eo amin’ny fanatrehany mihitsy aza.

Ianao ve mba efa nandray ny famelan-keloka natolony anao manokana ? Raha izany mantsy, dia misy dikany ny fiainanao, dia ny hahafaly Ilay tia anao, ary misy tanjony, dia ny ho sambatra mandrakizay any an-danitra miaraka amin’i Jesosy !