Talata 2 Jolay 2019

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. Galatiana 5:22, 23

Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy ; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. Ohabolana 15:1

 

Mora tohina hoe ?

Ny toetra mora tohina dia toetra manelingelina, ary manapoizina mihitsy ny fifandraisantsika aman’olona aza : ny olona akaiky antsika, ny mpiara-miasa, ny mpifanolo-bodirindrina amintsika. Ary isika ihany no voalohany iharan’ny voka-dratsiny ! Ny toetra mora tohina, eo amin’ny kristiana, dia iray amin’ireo marika mampiseho fa tsy dia miaina eo akaikin’i Jesosy loatra izy, Jesosy Izay Lehilahy malemy fanahy sy tsy miavona am-po. Ny halemem-panahy, ao amin’ny Baiboly, dia toetran’olona tsy mikiribiby haka ny zony.

Ny fahamora-tohina tafahoatra, ireo ratra anaty mitambatambatra, ireo tsy rariny mihatra… dia mety handiso ny fijery ny zava-drehetra, mahatonga ratra amina zavatra tsinontsinona akory, mampihevitra fa toa tsy fanajana, fanesoana na hasomparana avokoa izao rehetra izao… Loharanom-pijaliana lalina tsy mitsahatra izany, na ho an’izay mora tohina loatra na ho an’ny manodidina azy.

Inona no fanampiana ananan’ny kristiana mba hampiova ny fahitany sy fahatsapany zavatra ?

Mihevitra an’i Jesosy, Ilay Mpamonjiny : “Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany ; ‘Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany’ ; raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina” (1 Petera 2:21-23).

Ary miezaka ny hanahaka Azy : “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana… Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany” (Kolosiana 3:12-14).