Alarobia 3 Jolay 2019

Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy : Soraty eo amin’ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin’i Josoa. Eksodosy 17:14

Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana ... ary soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka. Ohabolana 3:3

 

Sahia mamantatra ny Baiboly ! (1)

Boky iray nosoratan’olona am-polony, nadikan’olona an-jatony, natontan’olona an’arivony, vakian’olona an-tapitrisany… : tsy maintsy ho boky hafakely izany, tsy maintsy ho ny Baiboly ! Hoezahina haseho aminao ao anaty takelaka valo ny tantaran’io boky tokana aman-tany io.

Ny fiandohan’ny boky iray, mazava ho azy, dia ny soratra. Hatramin’ny taonjato faha-19 dia noheverina fa tamin’ny taonjato faha-6 talohan’i Jesosy Kristy no nisiany voalohany. Fantatra anefa ankehitriny fa ny Someriana dia efa nampiasa ny soratra mitarehina kisarisary fantsika (écriture cunéiforme) tany amin’ny taona 3500 talohan’i Jesosy Kristy tany. Ny soratra egyptiana (hiéroglyphe) dia tranainy mitovitovy amin’izany koa (3200 talohan’i JK). Ary talohan’ireny endrika soratra ireny aza, dia efa nisy ny soratra miendrika sary (caractère pictographique). Ny abidy voalohany dia noforonina teo anelanelan’ny taona 1800 sy 1400 talohan’i JK, tany amin’ireo firenena voalaza ao amin’ny Baiboly, ary mety ho tany Sinay mihitsy aza… tany amin’ny toerana nonenan’i Mosesy.

Nahoana moa no resahina izany antsipirian-javatra izany ? Satria ny iray amin’ireo fepetra ahazoana matoky ny lahatsoratra tranainy iray, dia ny fahakelezan’ny elanelana eo amin’ny vanimpotoana nanoratana azy sy ny toejavatra tantarainy. Ela mantsy no niheverana fa ny Baiboly dia tsy voasoratra raha tsy ela taorianan’ny nitrangan’ny toejavatra tantarainy, ary ny voalazany dia avy tamin’ireo angano am-bava sy an-tsoratra isan-karazany. Nefa araka ireo zavatra hita ireo :

— ny soratra dia efa nisy tamin’ny fotoanandro tena nifanakaiky tamin’ireo tranga tantarain’ny Baiboly ;

— tany amin’ireo firenena voalazan’ny Baiboly dia nanomboka nivelatra ny soratra tamin’ny vanimpotoana nahaveloman’ny olona voalohany nanoratra ny Baiboly ;

— tany amin’ny toerana nitaizana an’i Mosesy no nipoiran’ny iray tamin’ireo abidy voalohany (na ny abidy voalohany indrindra mihitsy aza angamba).

Toy ny hoe efa nomanin’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra, mba hampitany amintsika io boky tsy manan-tsahala io, izay anehoany ny tenany …