Alakamisy 4 Jolay 2019

Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany. Ohabolana 14:12

(Hoy Jesosy :) Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

 

Mizotra mankaiza ?

Indraindray rehefa mandeha fiara dia mety ho lasa any amina lalana tsy tokony haleha. Ary raha eny amin’ny arabe lehibe antsoina hoe “autoroute”, dia tsy azo atao ny miverin-dalana, fa tsy maintsy manohy mandra-pahatonga any amin’ny arabe fivoahana manaraka. Fotoana very maina izany, kanefa azo onerana. Fa raha momba ny fitondrana ny fiainantsika eto amin’ity tontolo ity kosa, ny fahadisoan-dalana dia mety hiteraka vokatra mampalahelo sy tsy azo iverenana intsony. Rehefa mandeha fiara isika dia alaim-panahy koa hanaraka izay heverintsika fa mety, mandra-pahita takelaby manondro fa diso lalana isika. Toy izany ve no itondrantsika ny fiainantsika, ka tsy iheverantsika izay hiafaran’ny safidintsika ?

Ilay Andriamanitra Mpahary antsika, Izay tia antsika, dia manome torolalana antsika. Ny Baiboly dia loharanom-pahazavana : “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao” (Salamo 119:105). Toy ny takelaby mpanoro lalana manemitra ny lalantsika izy, ka manampy antsika hamantatra hoe aiza ho aiza isika. Mampiharihary lalana roa mifanohitra ny Baiboly.

— Na isika manao hoe : “Manao ny fiainako aho, manaraka ny lalako tsy misy an’Andriamanitra, tsy mifandray aminy ary lavitra Azy”. Raha izany dia mampitandrina antsika ny Baiboly hoe mizotra amin’ny lalana mankany amin’ny fahaverezana isika.

— Na isika miaiky fa eo amin’io lalana io indrindra, very, ka tokony hafahana hiala tamin’io lalana io. Dia ambaran’Andriamanitra antsika ao amin’ny Baiboly fa efa tonga hamonjy antsika Jesosy, mba hahitantsika ny lalan’ny fahazavana sy ny fiainana, raha mino Azy isika. Dieny anio dia te handray an-tanana ny fiainantsika Jesosy, mba hitondrany antsika, amin’ny fomba azo antoka, hatrany an-tranon’ny Ray.

Raha nandeha teo amin’ny lalan-diso àry ianao, dia mizora amin’ny lalana fivoahana voalohany indrindra : vakio ny Baiboly, mivavaha, fa manolo-tanana anao Jesosy.