Zoma 5 Jolay 2019

Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. 1 Jaona 5:13

 

Taratasy ho an’ny namana iray very hevitra

Matahotra mafy ianao noho ny ratsy nataonao, ka manontany ahy hoe ahoana no hahazoana antoka tanteraka fa namela heloka anao tokoa Andriamanitra.

Ny Baiboly dia mamaly anao hoe : mamela heloka anao Andriamanitra, noho ny sorona nataon’i Jesosy Kristy Zanany, fa tsy hoe satria ianao niezaka hihatsara na hanaraka fitsipi-pivavahana sasantsasany. Nitady anao Andriamanitra, fony ianao lavitra Azy, ary namonjy anao Izy satria tia anao, na dia halany aza ny ratsy nataonao. Nomeny famotsoran-keloka ianao, izany hoe navelany maimaimpoana ny helokao.

Nefa marina Andriamanitra, ka tsy afaka hanadino fotsiny ny ratsy, toy ny fanaontsika matetika. Izy dia efa nanomana fomba hanamarinana olo-meloka, tsy manana vahaolana intsony. Izy mihitsy no nanolotra ilay sorona ahazoantsika fihavanana. Ny Tompo Jesosy, Izay tonga olona (tsy nanana ota), no efa nisolo toerana antsika ary nizaka, avy tamin’Andriamanitra, ny fanamelohana sahaza antsika (1 Petera 1:18-21).

Ny zavatra hany angatahina aminao, dia ny hihazona an’Andriamanitra amin’ny teniny sy hino izay lazainy ao amin’ny Baiboly. Raha mibebaka eo anatrehan’Andriamanitra ianao ary manaiky ny Tompo Jesosy ho Mpamonjinao, dia avelan’Andriamanitra ny helokao ary ambarany fa marina ianao. Dia homeny anao ny fahafahana manomboka fiainam-baovao miaraka aminy. Afaka mino an’Andriamanitra ianao, satria Izy dia tsy afaka handainga. Raha misalasala momba ny famonjena atolony, dia manao Azy ho mpandainga, ary koa maniratsira ny fitiavany.

Minoa… ary aoka ho feno fiadanana ianao, ry namana ! Ho amina fifandraisana feno fahatokiana miaraka amin’Andriamanitra no iantsoany anao. Ary tsy handiso fanantenana anao Izy.