Asabotsy 6 Jolay 2019

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana. Efesiana 2:8

Hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany. Jakoba 2:24

 

Taratasy ho an’ilay namana … very hevitra indray

Sambatra erỳ ianao nahafantatra fa navelan’Andriamanitra heloka, satria nino fa efa nanefa ny trosanao Jesosy… Izany indrindra no novakinao tao amin’ny taratasin’ny apostoly Paoly ho an’ny Efesiana ! Indro anefa ianao fa very hevitra indray, rehefa avy namaky ny taratasy nosoratan’i Jakoba, izay heverinao fa toa manambara ny mifanohitra amin’izany ! Aminy dia tsy hita hoe olona nohamarinina ianao raha tsy manao asa soa.

Ary raha mba hoy moa aho mamaly anao hoe … samy marina ny voalazan’ireo apostoly roalahy ireo ! Vakio tsara ny zava-misy manodidina ny nanambaran’izy ireo avy ny teniny, dia ho azoanao antoka izany. Paoly dia manambara aminao izay nataon’Andriamanitra mba hahatonga anao ho marina : nataony sorona ny Zanany. Raha manaiky izany amin’ny finoana ianao, dia manjary marina eo anatrehan’Andriamanitra.

Jakoba indray dia mangataka anao mba haneho ny finoanao… Nefa amin’ny fomba ahoana, raha tsy amin’ny fampihariharianao izany amin’ny fitondrantenanao ? Marina fa mahita ny ao am-pon’ny olona tsirairay Andriamanitra, ary manamarina izay mino an’i Jesosy Kristy. Fantany fa mino ianao, ka dia voavonjy. Fa ny olona mifanerasera aminao kosa dia mifototra amin’izay hitany eo amin’ny fiainanao, mba hilazany raha zanak’Andriamanitra ianao na tsia, araka ny fahitany azy. Ohatra, raha milaza ianao fa miteny aminao ao amin’ny Baiboly Andriamanitra, nefa ianao tsy mamaky Baiboly mihitsy, dia tsy afaka hino anao izy ireo. Toy izany koa, raha milaza ianao fa Tomponao Jesosy, nefa tsy mankatò Azy akory ianao, na milaza fa Izy no ohatra arahinao, nefa ratsy fihetsika amin’ny hafa ianao…

Ka hitanao àry, ry namana, fa tsy tokony ho sahiran-tsaina ianao : namela heloka anao tanteraka Andriamanitra, noho ny sorona nataon’i Jesosy. Kanefa porofoy amin’ny olona akaiky anao izany, amin’ny tena ahavelomanao marina ho an’i Jesosy !